• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Ravaka Rakotomalala
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : eny ifotony ny vahaolana

29/08/2023 14:49 © Moov.Mg

Mbola sahirana amin’ny fiarenana, taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza Emnati sy Batsiraï, nandravarava tamin’ny taon-dasa, ny faritra Atsimo Atsinanana. Isan’izany ny distrikan’i Vondrozo, izay mbola ahitana tahana tsy fanjariantsakafo ambony. Tafiditra ao anatin’ny dingana fahatelo ity distrika ity, ao amin’ny tondro isokajiana ny fanjariantsakafo (IPC Phase 3) nivoaka farany.

Tsy ampy enti-manana

Noho ny faharavan’ny voly sy tsy fisian’ny enti-manana hividianana sakafo, dia nisy tamin’ireo mponina no voatery nihinana zava-maniry tsy fihinana, toy ny veoveo sy ny ringiritry, araka ny fitantaran’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Andoharano, Deba Zaka Raymond. Nisy ny fanampiana nomen’ny fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ireo olona marefo, saingy tsy mahavita taona ireny. Manana anjara goavana amin’ny fitadiavam-bahaolana indrindra koa ny eny ifotony.

Teknikam-pambolena maoderina

Nisy, araka izany, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo, faritra Atsimo Atsinanana, fa atokana ho « andro fanompoa » isaky ny alakamisy. Mandritra io fotoana io, ireo tanora sy matanjaka dia manatanteraka lahasa ho an’ny tombotsoan’ny mpiara-belona. Ny vehivavy sy ny zokiolona ary ireo tsy afaka miasa kosa dia mivory, mifanentana ary miara-mihevitra izay hahasoa ny kaominina. Hevitra isan’ny efa notapahana, ohatra, ny fiezahan’ireo mpamboly hanaraka ny teknikam-pambolena mifanaraka amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Efa nisy rahateo ny fampiofanana nomena ireo fikambanam-behivavy any an-toerana, momba ny teknikam-pambolena maoderina, tao anatin’ny tetikasa ProSAR (Projet pour la Sécurité Alimentaire et le renforcement de la Résilience), iarahan’ny mpiara-miombon’antoka alemana GIZ sy ny fikambanana ASOS manatanteraka.

Fandrindram-piterahana

Tsikaritra ihany koa fa mbola miteraka maro loatra ny mponin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Tsy maharaka ny vava homana anefa ny fidiram-bola, ka miteraka tsy fanjarian-tsakafo izany. Fanapahan-kevitra niarahan’ireo tomponandraikitra sy herivelona mahefa teo anivon’ny kaominina Andoharano nandray, noho izany, ny fanentanana momba ny fandrindram-piterahana. « Raha tsapanao fa mahavelona olona folo ianao, dia aza atao mihoatra ny dimy ny isan’ny zaza ateraka », hoy ny torohevitr’i Deba Zaka Raymond tamin’ireo mponina ao amin’ny kaominina iadidiany.

Fanovana toe-tsaina

Fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fifanentanana amin’ny fanovana toe-tsaina, satria io ihany koa no tsikaritr’ireo tompon'andraikitra isan-tokony ho sakana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny kaominina. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy tokony hiandrasana lava ny fizaràna fanampiana, ary ihany koa ny fialana amin’ny hakamoana. « Tsy maintsy mitambatra ny hery rehetra vao tafavoaka, ka tokony handray andraikitra ny rehetra. Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo, satria rehefa mahavita tena ara-tsakafo dia mandroso ny kaominina. », hoy ny ben’ny tanànan’Andoharano. Iriana ho fitaratr’ireo kaominina sy distrika hafa miatrika ady amin’ny tsy fanjariantsakafo ny fandraisan’andraikitra ifotony, tahaka izao ataon’ny kaominina Andoharano Vondrozo izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo