• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Fernand_Cello
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Hamoraina ny fikarakarana ny anton-taratasy firotsahan-ko fidiana

29/08/2023 15:25 © Moov.Mg

Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny fitsarana Avo momba ny Làlam-panorenanana (HCC), Rakotoarisoa Florent, io maraina io. Natao izao noho ny fitarainan’ireo kandidà sasany manoloana ny fahasarotan’ny fanangonana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny firotsahan-ko fidiana.

Handraisana fepetra ireo minia manasarotra izany

« Handraisana fepetra ireo sampan-draharaha voamarina fa ninia namezivezy ny kandida nefa tsy misy antony ara-dalàna », ny ny filohan’ny HCC androany nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Miantso ireo sampan-draharaham-panjakana voakasika ity fikarakarana ny antontan-taratasy ho firotsahan-ko fidiana ity ny HCC mba hanamora izany. Tanjona amin’izany ny mba tsy hamezivezena ireo kandidà.
Nitarainan’ireo kandida manokana ny fahasarotana amin’ny fangalana ny taratasy momba ny hetra, ny fanamarinam-ponenana ary ny « casier judiciaire ». Nampahafantatra ny rehetra ihany koa ity filohan’ny HCC ity fa ny Fitsarana no mamoaka ny taratasy fanamarinana ny fizakana ny zom-pirenena malagasy. Ary ny « code de nationalité » andininy faha 87, 88, ary 89 no mamaritra izany. Omena ny alàlana handray ny fanapahan-kevitra farany mahakasika izany kosa ny ministry ny Fitsarana raha toa ka tsy nanaiky nanome an’izany ny Fitsarana, araka ny andininy faha 89 amin’io code de nationalité io ihany.
Manambara kosa ny filohan’ny HCC fa tompon’andraikitra feno amin’ny mety ho fivezivezeny ny kandidà raha toa ka ny fitavozavozana avy aminy no mahatonga ny antontan-taratasiny tsy feno. « Efa nampahafantarina mialoha azy ireo ny lisitry ny antontan-taratasy 15 karazana ilaina amin’ny firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena », hoy hatrany ity filohan’ny HCC nanamafy.

« Tsy fanaovana fampielezan-kevitra eny amin’ny HCC »

Tsy natao hanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana eny amin’ny HCC, hoy Florent Rakotoarisoa nampahatsiahy. Mety hiseho amin’ny endriny maro tokoa manko izany fampielezan-kevitra eny amin’ny HCC izany, toa ny fisehosehoana nataon’ireo kandidà sasany tamin’ity herinandro ity. Vonona handray ireo tararatasy isan-karazany toa ny mahazatra hatrany anefa ny HCC.
Valo andro sisa no hananan’ireo kandidà hanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena. Ny 06 Septambra amin’ny 06 ora hariva izany no mifarana ny fandraisana izany eny anivon’ny HCC Ambohidahy. Ireo izay nahafeno ny antontan-taratasy rehetra ihany anefa no hekena ho isan’ireo kandidà na dia efa nitondra ny antontan-taratasy manamarina ny anto-bola 200 000 000 ariary aza.
Kandidà roa ihany aloha hatramin’ny androany, no efa nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena, dia i Marc Ravalomanana sy i Annick Ratsiraka izany. Ny zoma ho avy izao kosa no mikasa ny hiroso amin’izany i Julia Mickaëlle Rasolofonoroniaina, araka ny nambaran’i Jean Nirina Rafanomezantsoa omaly.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo