• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Sempama
Image
Vaovao

Fifidianana filoham-pirenena : Maniry ho kandidà ny mpampianatra

29/08/2023 18:54 © Moov.Mg

Vinam-piaraha-monina saika iraisan’ireo efa nanambara ny filatsahany hofidiana amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ho avy io ny momba ny fanabeazana. Tsy takona afenina intsony mantsy fa marary ny seha-panabeazana eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fotodrafitrasa, fa indrindra ihany koa ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpampianatra sy ny fandaharam-pampianarana.

Mitodika amin'i Madagasikara

Isan’ireo mivoy ny momba ny fampianarana sy ny fanabeazana ao anatin’ny fotokeviny i Tahina Razafinjoelina, izay sady mpampianatra rahateo no mpandraharaha. Fanabeazana mitodika amin’i Madagasikara no ilaina, araka ny nambarany, saingy tsy araka izany no zava-misy amin'izao, fa tsy fantatry ny zaza Malagasy akory ny tena momba azy sy ny taniny.

Tsy misy ho enti-manana

Androany indray dia nanaitra ny maro ny antso nataon’ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA), ny amin’ny hanomezana tosika ny filohan’izy ireo, Claude RAHAROVOATRA, izay kasain’izy ireo harotsaka ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io. Raha ny nambaran’ireo mpikambana ao amin’ity Sendikan’ny mpampianatra ity dia mahalala tsara ny tontolon’ny fanabeazana ny filohan’izy ireo. Tsy manana ny ho enti-manana handavana ny antoka ara-bola 200 tapitrisa Ariary, izay takiana amin’ireo kandinda anefa izy, ka manao antso avo amin’ireo mpampianatra mba hanome tsipaipaika 10 000Ar avy.

Fitaovana politika

Efa naniry ny handray anjara tamin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny taona 2018 moa i Claude RAHAROVOATRA, saingy tsy nahatratra ny ora farany tokony hanaterana ny antontan-taratasy teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Matetika no natao fitaovana politika ny fanabeazana teto amintsika. Ny fanabeazana anefa no fototry ny fampandrosoana ary hita taratra izany any amin'ireo firenena mandroso, izay manao io sehatra io ho laharam-pahamehana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo