• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Mjm
Image
Vaovao

Fonjan’i Diana : Hatsaraina ny asa fandraharahana ny fonja

30/08/2023 09:58 © Moov.Mg

Toerana fanafaizana ny fonja, fa ihany koa fanabeazana sy fanoroana ireo izay nania teny anivon’ny fiaraha-monina. Manana zo toa ny olona rehetra anefa ny voafonja, ary zava-dehibe ho azy ireo sy ho an’ny fiaraha-monina izay handray azy aorian’ny famitana ny sazy ny fanajana izany.

Anisan'ny mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanampiana ireo voafonja ny fampitaovana ny fonja izay hivelarany. Izany indrindra no antom-pisian’ny tetikasa Mikolo Aina.

Fanolorana fitaovana

Ny Talata 29 Aogositra teo ary dia nidina ifotony teny amin’ny fonjan’i Diana ireo solontena mandray anjara amin’ny tetikasa Mikolo Aina. Hita teny an-toerana araka izany ny Douleurs Sans Frontières Madagascar sy ny ministeran’ny Fitsarana izay miara miasa amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Tsara ny manamarika fa mandray anjara amin’ny hetsika toa izao ny ministera amin’ny alàlan’ny Fandaharan'asa Fanarenana.
Nifantoka tamin’ny fampitaovana ny fonja ny dian’ireto farany. Nisy araka izany ny fanolorana fitaovana ho fanatsarana ny asa fandraharahana ny fonja eo anivon’ity fitaleavam-paritra ao Diana. Hita tao anatin’izany fanomezana izany ohatra ny fitaovana informatika, ny fitaovana fitandroana filaminana ary ny fitaovana ho an’ny birao.

Tetikasa ho fanohanana ny voafonja

Ny fandaharan'asa Fanarenana izay napetraky ny ministeran’ny Fitsarana dia natao hanamafisana ny fanajana ny zon’ireo voafonja rehetra eny anivon’ireo fonja rehetra manerana ny Nosy. Fantaro ary fa mifantoka amin’ny amin’ny tanjona telo lehibe ity fandaharan'asa ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny toeram-piainan’ireo voafonja, ny fanatevenana ny traikefa sy ny fitantanana momba ny fandraharahana ny fonja ary ny fiahiana sy ny fandrindrana ary ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo lamin’asa napetraka.
Mifandraika tanteraka amin’ireo tanjona napetraky ny ministera indrindra izao tetikasa izay miompana amin’ny fanatsarana ny sehatr’asan’ireo mpandraharahan’ny fonja izao. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fijerena akaiky ny fiaimpiainan’ireo voafonja sy ny fanomanana ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.
Anisan'ny olana iray goavana izay sedrain’ny voafonja aorian’ny fahavitan’ny saziny tokoa ny fiverenana eny anivon’ny fiarahamonina. Sarotra ho azy ireo ohatra ny mamerina ny fahatokisan’ny manodidina, fa ihany koa ny mitady asa hivelomana. Izany indrindra no maha-zava-dehibe ireo tetikasa isan-karazany ataon’ireo fikambanana samihafa eny anivon’ny fonja. Ao ireo manome fampiofanana arak’asa an’ireo voafonja mba hahafahan’ireto farany manana anton’asa mahavelona sy mahaleo tena rehefa miverina eny amin’ny fiarahamonina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo