• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Kandida ho filoham-pirenena : Lasa aiza daholo ? Mangingina ny eny amin’ny HCC

30/08/2023 11:34 © Moov.Mg

Herinandro katroka androany no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana fametrahana ny antontan-taratasy firotsahana hofidiana, ho an’ireo kandinda amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Hatreto anefa dia Kandida telo monja amin’ireo am-polony efa nanambara ny firotsahany, no mbola tonga nanatitra izany teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).

Tsy hisy fifidianana

Marc Ravalomanana, Annick Ratsiraka sy Paraina Auguste, hatramin’ny androany 30 aogositra 2023, no hany tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidian’izy ireo teny Ambohidahy. Kandida fahatelo tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny teny amin’ny HCC moa, i Paraina Auguste, ny maraina teo.
Antony maro no mety mahatonga izany. Misy amin’ireo kandida no tsy nanafina ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy hisian’ny fifidianana akory amin’ity taona ity. Ny kandida RASOLOFONORONIAINA Julia Mickaëlle, ohatra, raha nanatona ny HCC, dia tsy mbola nanatitra ny antontan-taratasiny akory, fa nanatitra taratasy fitarainana sy naka toky ny amin’ny tena hisian’ny fifidianana eto Madagasikara. Ny kandidan’ny Andry sy Rihana Enti-Manavotra an'i Madagasikara (AREMA) kosa, na nametraka ny antontan-taratasiny aza, dia tsy mbola nametraka ny fanamarinana ny anto-bola 200 tapitrisa ariary, noho izay ahiahy izay hatrany.

Anto-bola lafo loatra

Izay anto-bola izay indrindra no isan’ny sakana lehibe ho an’ny ankamaroan’ireo olona maniry ny hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Nampiakarina avo efatra heny mantsy izy io, raha mitaha amin’ny anto-bola notakiana tamin’ireo kandida tamin’ny fifidianana 2018. Misy amin’ireo maniry ny ho kandida, noho izany, no mangataka ny fanohanan’ireo matoky azy. Isan’izany i Claude Raharovoatra, atolotry ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpanabe eto Madagasikara (SEMPAMA), izay manao antso avo amin’ireo mpampianatra mba hanome tsipaipaika 10 000Ar avy. Tahaka izany koa ny antoko Tambaben’ny Olompirenena Nampiraisin’ny Andraikitra (RCR), tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison. Miantso ny fanohanan’ireo olompirenena tomponandraikitra ny antoko, ka nanokatra laharan-tariby ahafahana manao fitia tsy mba hetra, ho enti-manolotra kandida.

Kajikajy pôlitika

Etsy an-daniny, misy amin’ireo kandida no mbola miandriandry sy mitsapa ny hevitry ny mpifidy, sao sanatria tsy mahazo ny 10%-n’ny vato manan-kery akory, ka tsy hiverina ny anto-bola. Ny Kajikajy pôlitika isan-karazany rahateo mbola tsy maintsy misy, ary azo inoana fa mbola maro ireo antoko mitady fifanarahana, ka mety hiombon-kevitra hanolotra olona tokana. Ankoatra ireo dia efa mahazatra antsika Malagasy ny miandry farany, noho ny antony isan-karazany. Misy ireo te hilalao ny fihetseham-pon’ny maro, amin’ny fitaintainana sy fiandrasana. Misy ihany koa anefa no te hiala ny tsindry mavesatry ny haino vaky jery sy ny tsikeran’ny mpanara-baovao, ka misafidy ny hiandry ny ora farany vao hanatitra ny antontan-taratasiny eny Ambohidahy.

Variana amin’ny lalaon’ny nosy

Fa ny tena andrasan’ny maro indrindra dia ny firotsahan’ny filoham-pirenena ankehitriny hofidiana, na tsia. Hatreto dia mbola tsy nanatsidika ny momba izany mihitsy ny filoha Andry Rajoelina. Mbola ao anatin’ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasimbe indianina rahateo isika, ka heverina fa mbola mifantoka amin’ny fahatontosan’izany aloha izy amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia mifarana ny 6 septambra amin’ny enina ora hariva ny fandraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny antontan-taratasin’ireo kandida ho an’ity fifidianana filoham-pirenena 2023 ity, raha efa nisokatra tamin’ny 23 aogositra lasa teo.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo