• Cours de change
  • 4720.51 AR
  • |
  • $4424.05 AR
Copyright Image : © Le Courrier Du Sud
Image
Vaovao

Fidiran'ny mpianatra : tsy misy horaisina ny ray aman-dreny sasany

30/08/2023 16:09 © Moov.Mg

Ny 4 septambra 2023 ho avy izao no fidirana ofisialin’ireo mpianatra eny amin’ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa, raha ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Hatramin’izao anefa dia mbola betsaka ny ray aman-dreny no tsy mahita izay ho enti-manana hividianana fitaovana ho an’ny zanany.

Tranga iray manaporofo ny fahantrana lalina iainan’ny Malagasy amin’izao, ny horonan-tsary niparitaka tamin’ny talata lasa teo, ahitana raim-pianakaviana tratra nangalatra kahie roa fonosana, tany Antsiranana tany. Samy mahalala ny maha-zava-dehibe ny fanabeazan-janaka, na ny manan-katao na ny sahirana, izay mihamaro hatrany.

Tsy mijery kalitao

Mbola maro aza ireo ray aman-dreny no tsy nahaefa akory ny saram-panoratana anarana ny zanany. Zara raha ny antsasak’ireo ray aman-drenin'ny mpianatra no nahafeno tanteraka ny vola rehetra takiana, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny sekoly iray eny Atsimondrano eny. Mihamaro ny ray aman-dreny nanala ny zanany tao amin’ny sekoly, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra, noho ny halafon’ny saram-pianarana. Efa natao hifanaraka tsara amin’ireo tolotra omen’ny sekoly anefa izany, saingy tsy ny kalitao intsony izao no ifotoran’ny safidin’ny ray aman-dreny, fa ny hampiditra ny zanany any amin’ny sekoly mora saram-pianarana, na tsy maharesy lahatra azy ireo aza.

Aloa tsikelikely

Mba hitazonana ireo ankizy hijanona ao amin’ny sekoly sy mba ho fitsinjovana ireo ray aman-dreny, dia maro amin’ireo sekoly no miezaka manalefaka ny fomba fandoavana ny saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana. Misy, ohatra, ireo izay nandray saram-pamandrihan-toerana fotsiny, misy ireo nanaiky ny fandoavana tsikelikely. Ity sekoly nanaovana fanadihadiana ity izao dia isan’ireo nanaiky ny handoavana « avance » fotsiny aloha, nandritra ny fe-potoana tokony ho nanaovana ny fisoratana anarana. Tokony ho voaloa manontolo kosa ny vola rehetra takiana, mialohan’ny 7 septambra, daty natokan’izy ireo ho fidiran’ny mpianatra. Mbola maro ihany anefa ireo ray aman-dreny no mangataka fanalavam-potoana, indrindra ireo manan-janaka maromaro.

Ny sekolim-panjakana ihany koa

Na ireo ray aman-dreny nisafidy ny hampiana-janaka eny amin'ny sekolim-panjakana ihany koa aza dia mikaikaika amin'ny vola takiana amin’izy ireo. Na nolazaina foana aza mantsy hatrizay fa maimaim-poana ny fianarana amin'ny sekoly miankina amin'ny Fanjakana, dia misy hatrany ny vola aloa. Amin’ny ankapobeny, ny saram-pisoratana anarana no maimaim-poana, fa misy hatrany kosa ny latsak'emboka efaina araky ny fanazavana azo, mba ho karaman’ireo mpampianatra FRAM sy hanaovana fanamboarana isan-karazany, arakaraky ny filàn’ny sekoly. Ny vidin'ny fitaovam-pianarana anefa, etsy an-daniny, tsy mitsaha-miakatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo