• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR

Flash Actu

Vendredi, 06 Mars 2026

Zanakazo 3 000 fototra no novolena teny Ambohimahavelona, Talata Volonondry, androany 6 martsa maraina, ho tohin’ny hetsika fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.

16:46

Nanolotra solosaina miisa 100 ho an’ny Oniversiten’i Mahajanga ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambony.

16:04

M Hajatiana Endor Cadet a été désigné Directeur Général par intérim de la Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles (SMMC) ; après un Conseil d’administration en session extraordinaire.

15:16

Tsenaben'ny Fizahantany : Ho tontosaina ny 12, 13, 14 Martsa 2026 ny hetsika andiany faha-11, eny amin'ny Zaridainan'Antaninarenina.

14:01

Fanamafisana ny fitantanana tsara : Mpiasam-panjakana malagasy miisa 30 no hisitraka fiofanana any Inde. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fiaraha-miasa mikendry ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasam-panjakana izany.

12:01

Toamasina : Trano lay 130 no naparitaka, omaly ho an’ireo tokantrano tsy manan-kialofana. Hatreto dia trano lay mahery ny 700 no efa nositrahan’ny mponina tao anatin'izay 20 andro mahery izay.

11:01

Itasy - Miarinarivo : Navaozina manontolo ny tambazotra fampidirana rano fisotro madio tao amin’ny Fokontany Mandiavato, Kaominina Mandriavato. Olona 3 800, mpianatra 800, ary Tobim-pahasalamana sy Tobin’ny zandarimaria, no hisitraka izany.

10:08

Toetry ny andro : Somary ho maina saika manerana ny Nosy, ankoatra ny faritra avaratra atsinanana izay hanatombo kokoa ny orana amin'ny faran'ny herinandro, hatramin’ny alahady 8 martsa

09:14

Olona manana fahasembanana miisa 534 no nisitraka tohana avy tamin'ny fitondram-panjakana, tamin'ny alalan'ny BNGRC, tany Toamasina, omaly. Fanampiana ilain’izy ireo amin'ny andavanandro no natolotra.

08:03

Olona miisa 150.000 no hisitraka maimaim-poana ny vaksiny miaro amin'ny mpox eto Madagasikara. Natolotra tamin'ny fomba ôfisialy, androany, ny fatra 30.000, andiany voalohany.

20:12

Olona miisa 3 800, tokantrano miisa 690, ary mpianatra miisa 800 no misitraka fotodrafitrasa fampisitrahana rano fisotro madio vao navaozina, ao amin’ny Fokontany Mandiavato tampo-tanàna, any amin’ny Disitrikan’i Miarinarivo.

17:00

Fédération du Sport Automobile de Madagascar (FSAM) : Rabekoto Jeannot et Ranarison Henintsoa sont les deux candidats à la course à la présidence.

16:02

Train urbain : Un voyage supplémentaire exceptionnel sera au rendez-vous, le samedi 7 mars, à 12heures (départ Soarano). Départ Ambohimanambola à 13heures.

15:01

Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana : mihoatra ny 2.000 ny isan’ireo tra-boina marary noraisina antanana teny anivon'ireo « sites d'hebergement » tao Toamasina I sy II, asa niarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka.

14:01

Nahatratra 13.500 ny isan’ireo tantsaha nisitraka tohana hanam-pamokarana avy amin’ny tetikasa PURPA, izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, ho an’ny taom-pamokarana 2022–2025.

12:03

Misy trano heva ho an'ny fisoratana anarana biômetrika eny amin'ny kianja Barea ny 5, 6 ary 7 martsa, ao anatin'ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy. Natokana ho an’ireo vehivavy 18 taona no ho mihoatra.

11:06

CHU Andrainjato Fianarantsoa : Nandritra ity herinandro ity, hatramin'ny androany, dia manamafy ny fahaiza-manaony amin’ny fizahana, fandraisana an-tanana ary fanaraha-maso ireo zaza manana olana ara-pahasalamana amin’ny fo, ireo mpiasan’ny fahasalamana.

09:59

Haharitra 5 andro ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy amin’ity taona ity, eo ambany fiahian’ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana. Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy omaly izany.

09:03

Ankohonana 51.000 isa, avy amin'ny Fokontany miisa 138 ao amin'ny Distrikan'i Toamasina I, no misitraka, Asa Vonjy Voina, eo ambany fitantanan'ny FID, taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Gezani tany amin'ny Faritra Atsinanana.

08:00

Menabe : Vatomizana 1kg miisa 5, vato 500g iray ary vato 250g roa, tsy manara-dalàna, nampiasain'ny mpivaro-kena sy legioma no nogiazana, tao amin’ny tsenan’i Nahamora, nandritra ny fitsidihana nataon’ny DRCC.

16:07
Voir Plus

Ireo fahazarana 6 ananan’ny olona tena mamokatra amin’ny asa

06/03/2026 15:48

Tsy miankina amin’ny faharetan’ny ora iasana ao anatin’ny tontolo andro fotsiny ihany ny famokarana amin’ny asa, fa miankina indrindra amin’ny fomba fandaminana ny asa sy ny ezaka atao. Matetika aza dia tsy voatery miasa ela kokoa noho ny hafa ny olona tena mahomby. Avy amin’ny fahazarana tsara manampy azy hahavita zavatra bebekoa amin’ny fotoana voafetra no mahasamihafa azy ireo. Ireto àry misy fahazarana 6 anana’ny olona tena mamokatra amin’ny asa.

Fahasalamana : Ireo fahazarana manakorontana ny fandevonan-kanina

06/03/2026 11:54

Dingana lehibe ahafahan’ny vatana mandray ireo otrikaina ilainy mba hiasany tsara ny fandevonan-kanina. Misy nefa ireo fahazarana amin’ny fiainana andavanandro izay tsy tandrintsika ka mety hanakorontana ny fandevonan-kanina. Izany moa dia mahatonga tsy fahazoana aina toy ny fahatsapana mavesatra rehefa avy misakafo, kibo miziriziry… Ireto avy àry ireo fahazarana mety manakorontana ny fandevonan-kanina sy ny fomba hisorohana izany.

Fananahan’ny vehivavy : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « vaginisme »

05/03/2026 15:26

Olana ara-pananahana mety mitranga amin’ny vehivavy izay tsy dia resahana firy ny « vaginisme ». Vehivavy maro nefa no mety hiaina azy io mandritra ny fiainany. Mety hiteraka ahiahy, olana ara-panambadiana, fijaliana ara-batana sy ara-tsaina izy io raha tsy voaray an-tanana. Azo tsaboina tsara nefa ny « vaginisme » rehefa mahazo fanampiana sy fitsaboana ara-dalàna.

Mihena ny hery rehefa miha-antitra : ny antony sy ny fomba hisorohana izany

05/03/2026 13:33

Rehefa miha-antitra dia maro ny olona mahatsikaritra fa mihena tsikelikely ny heriny. Lasa toy ny mahasasatra kokoa ny tontolo andro, miadana kokoa ny fiverenan’ny hery rehefa avy miasa na niari-tory, ary indraindray mihena ihany koa ny fahavitrihana. Zavatra voajanahary moa izany satria misy fiovana maro mitranga ao amin’ny vatana sy ny saina. Na izany aza, misy fomba maro afaka manampy hitazomana sy hanatsarana ny herin’ny vatana na dia mandroso aza ny taona.

Fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava : ny fifandraisany amin’ny areti-mitaiza

04/03/2026 14:42

Tsy voafetra amin’ny tsy fisian’ny lavaka amin’ny nify sy ny hatsaran’ny fitsiky fotsiny ihany ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava. Araka ny voalazan’ny Organisation mondiale de la Santé dia anisan’ny aretina fahita indrindra maneran-tany ny aretina mahazo ny ati-vava sy ny nify, ka olona manodidina ny 3,5 miliara no voakasik’izany. Ankoatra izay dia efa voaporofo fa misy fifandraisana akaiky amin’ny aretina mitaiza maro izy ireny, toy ny aretim-po sy lalan-drà, ny diabeta, ary ny aretin’ny taovam-pisefoana sasany.

Fanatanjahantena aorian’ny fiterahana : ireo hevi-diso manodidina izany

04/03/2026 11:42

Maro amin’ny vehivavy avy miteraka no maniry hiverina hanao fanatanjahantena. Maro ny antony manosika azy ireo amin’izany : hahazo hery indray, hifankazatra amin’ny vatany vaovao, hanalefaka ny fanaintainana… Manoloana ireo torohevitra mifangaro, ny havizanana lalina, ny tsindry ara-tsosialy dia toa tsy mora ny mahafantatra hoe raoviana sy ahoana no hanomboana indray. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo hevi-diso mikasika ny fanatanjahantena aorian’ny fiterahana.

Setroky ny fatana ao an-trano : mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana

04/03/2026 09:12

Ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy dia mampiasa fatana saribao na kitay amin’ny fandrahoana sakafo. Mbola maro no tsy mahafantatra fa mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana ny setrok’izy ireny. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny andinindininy mikasik’izany.

Marary lamosina, marary kibo: sao dia avy amin’ny fihetseham-po ?

03/03/2026 12:16

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho mangotika ny kibo mialoha ny hanao fanadinana na fivoriana lehibe? Na nahatsapa toy ny misy zavatra mivesatra be eo amin’ny soroka rehefa avy niasa mafy mandritra ny herinandro? Tsy kisendrasendra ireny fahatsapana ireny: ny vatantsika no fitaratra voalohany mampiseho ny zava-mitranga any anaty fanahy any.

"Syndrôme du cœur brisé" : Tranga mitovitovy amin'ny "Crise cardiaque"

02/03/2026 10:17

Raha vao maheno hoe "cœur brisé" dia ilay olona voadonam-pitiavana na voadonam-piainana mafy no mby any an-tsaina. Avy amin'izany tokoa no nahazoana ilay "Syndrôme du cœur brisé", izay manakaiky ny "Crise cardiaque".

Ireo honohono sy hevi-diso mikasika ny fahafinaretan’ny vehivavy

27/02/2026 15:47

Mbola rakotra fahanginana sy fady maro ny resaka fahafinaretan’ny vehivavy, indrindra eto amintsika. Mbola betsaka noho izany ireo hevi-diso misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-nofon’ny vehivavy sy ny fomba fijerin’ny fiarahamonina izany. Zava-dehibe ny mandrava ireo finoana diso ireo mba hanampiana ny vehivavy hanana fiainam-pananahana salama, mazava ary mifototra amin’ny fanajana. Araho ary ny santionany amin’ireo hevi-diso faheno.

Tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka : rahoviana no tokony hanahy ?

27/02/2026 11:03

Ny tosi-drà avo (hypertension) dia mahakasika eo amin’ny 5 ka hatramin’ny 10%-n’ny vehivavy bevohoka. Raha voafehy tsara izy io dia mety ho malefaka. Mety hitarika fahasarotana kosa nefa raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Noho izany, rahoviana no tokony hanahy ny tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka ? Inona avy ireo famantarana mampitandrina ? Araho eto àry ny zavatra tokony ho fantatra.

Fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny hitoe-jaza : tena ilaina tokoa ve ?

26/02/2026 16:25

Mihamaro ankehitriny ny mpivady vao manatanteraka fitsiriana ara-pahasalamana alohan’ny fikasana hiteraka. Tsy mijanona amin’ny fanajanonana ny fanabeazana aizana ny fanomanana vohoka. Maro ny fitiliana sy lafin-javatra tokony hojerana alohan’ny hitoe-jaza mba hiantohana vohoka milamina. Araho ary ny andinindininy mikasika izany.

« Infection urinaire » miverimberina : ahoana ny atao hisorohana izany ?

26/02/2026 11:16

Ny vehivavy no tena voakasiky ny « infection urinaire » miverimberina fa mety ho voa ihany koa ny lehilahy sy ny ankizy. Lazaina ho miverimberina izy io raha miseho in-3 na mihoatra ao anatin’ny herintaona, na in-2 ao anatin’ny enim-bolana. Matetika dia “cystite” no endriny, ary mety hanelingelina ny fiainana andavanandro ka mila fitsaboana sy fisorohana sahaza. Ireto ary ny fomba manampy hisorohana ny « infection urinaire » miverimberina.

« Poil incarné » rehefa avy manao « épilation » : ny tsara fantatra mikasik’izany

25/02/2026 11:38

Ny « poil incarné », na volo tsy mivoaka hoy isika, dia ireo volo izay tsy mitombo eny ivelany araka ny tokony ho izy ka lasa mibahan-toerana eo ambanin’ny hoditra. Rehefa avy manala volo amin’ny alalan’ny « épilation » na fiaratana izy ireo no miseho. Manelingelina, ary mety manaintaina na manonitra izy ireny raha tsy voatandrina. Inona ary ireo antony mahatonga ny « poil incarné » ? Ahoana ny atao hikarakarana sy hisorohana azy ireny ?

« Boissons énergisantes » : ireo mety ho vokadratsiny eo amin’ny tanora

24/02/2026 14:29

Mahasarika tanora sy zatovo maro ankehitriny ireo zava-pisotro manome angovo na ny « boissons énergisantes ». Lazaina fa manampy amin’ny fifantohana, mampitombo hery rehefa manao fanatanjahantena ary mampihena harerahana mantsy izy ireny. Na dia aseho ho maoderina sy mampatanjaka aza izy ireny dia misy ihany koa ireo vokadratsy mety haterany amin’ny fahasalaman’ny tanoro sy ny zatovo mpisotro azy.

Diabeta sy tosidrà avo : inona no mampitombo be ireo tranga eto Madagasikara ?

24/02/2026 10:41

Tsy mitsaha mitombo ny olona tratry ny diabeta sy tosidrà ambony eto Madagasikara. Taloha dia noheverina ho aretin’ny « firenena mandroso » izy ireo, nefa ankehitriny dia tsikaritra fa mihatra amin’ny fianakaviana maro eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo antony mampitombo ireo aretina ireo eto Madagasikara sy ny fomba atao mba hisorohana azy ireny.

Te hihinana masira foana : inona no mety ho antony ?

23/02/2026 16:26

Ara-dalàna ny faniriana sakafo masira indraindray. Rehefa lasa matetika, mafy na tsy mety tapaka kosa nefa io faniriana io dia mety ho hafatra avy amin’ny vatana izany. Manana anjara asa lehibe amin’ny fiasan’ny vatana tokoa mantsy ny sira (sodium). Koa inona marina àry no mety tadiavin’ny vatana rehefa manosika antsika te hihinana zavatra masira foana izy ?

Fahasalamana : Ireo fahazarana mamizana antsika nefa tsy tsikaritra

23/02/2026 10:57

Tsy voatery ho avy amin’ny tsy fahampian-torimaso foana ny havizanana. Maro ny olona mahatsapa ho reraka na dia efa mihezaka tsy mandrera-tena aza. Raha ny marina dia misy fahazarana amin’ny andavanandro, izay heverina tsy mampaninona, kanefa mandany hery tsikelikely ary tsy tsikaritra. Ireto avy àry ny santionany amin’ireo fahadisoana mahazatra mamizana antsika… nefa tsy tsapantsika akory.

Ny "Sapiosexualité" : Rehefa ny saina no mpanaitra voalohany ny faniriana

20/02/2026 15:50

Malaza any ivelany any tato ho ato ny « sapiosexualité ». Ity farany moa dia teny manondro fisarihana ara-pitiavana na ara-nofo noho ny faharanitan-tsain’ny olona iray. Izany hoe raha avy amin’ny bika na ny fijery no mahatonga fientanam-po eo amin’ny olona sasany dia ny resaka lalina, fisainana mavitrika sy ny faharanitan-tsaina no manintona ny olona « sapiosexuel ». Araho eto ny andinindininy mikasika azy io.

Fampidirana sakafo ho an’ny zazakely : ireo fahadisoana tsara tandremana

20/02/2026 14:06

Dingana lehibe eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny fampidirana sakafo fanampiny na « diversification alimentaire ». Matetika eo anelanelan’ny faha 4 ka hatramin’ny 6 volana eo no hanombohana azy io. Satria mbola tsy hary tsara ny taovam-pandevonan-kanin’ny zazakely dia mila fitandremana ny fanatanterahana izany. Araho eto ary ireo fahadisoana tsara tandremana mikasika ny fampidirana sakafo ho an’ny zazakely.

Les Partenaires