• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR

Flash Actu

Lundi, 09 Mars 2026

Fin février, des infestations de criquets migrateurs et nomades ont été signalées dans l’Atsimo Andrefana. Les opérations de lutte terrestre et aérienne ont traité plus de 6 000 hectares. Après les pluies de Gezani, une prolifération est redoutée.

17:08

Plus de 90 % du personnel de la Commune Rurale d’Ambohibary Manjakandriana est composé de femmes, et la PDS de la commune est également une femme, illustrant concrètement le leadership féminin au niveau local, selon l'UNFPA.

16:01

Oniversiten’i Toamasina : 90 % amin’ireo fangatahan’ny mpianatra no voavalin’ny Banky Iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasa. Hanomboka avy hatrany ny asa, vao voaray ny vola, ary ezahana ho vita ao anatin’ny 30 andro izany.

15:02

Nofoanan’ny Conseil d’Etat, androany, tamin’ny alalan’ny fotoam-pitsarana, ny isam-bato nandany ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanantsoa. Mangataka hamerenana ny fifidianana, ity Conseil d’Etat ity.

14:08

Miisa 44 ireo Oniversite, handray anjara amin’ny lalao ara-panatanjahantena Smatchin, andiany faha-12, izay hotanterahina ny 14 hatramin’ny 22 martsa izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

12:09

Oniversiten’i Toamasina : Nahazo solosaina miisa 100 hampiasaina amin’ny fampianarana ampitain-davitra sy an-jotra ny Oniversite ; izay fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny MESUPRES sy ny MNDPT.

11:06

Tanterahina, anio hatramin’ny 11 martsa, eny amin’ny CCI Ivato, ny dinika ho fanaingana ny toekarena ; izay dinika lehibe hifanaovan’ny mpisehatra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.

10:03

Handalo ao Toamasina, anio, ary hijanona roa andro ny sambo Pacific World an’ny Peace Bot. Mitondra mpizahatany manodidina ny 1 700 ity sambo ity ary tombanana 1 300 amin’izy ireo no hitsidika sy hanao fizahantany eny amin’ny manodidina.

09:04

Taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza GEZANI dia miroso amin'ny fanarenana ireo fotodrafitrasa rava ny eo anivon'ny LTP Toamasina. Ny « chantier école » no hanatanterahana izany, hahafahan’ny mpiofana mampihatra avy hatrany ny fahaizany.

08:30

Concours International de Chant « Les Grandes Voix d’Opéra d’Afrique » : Norombahin'i Safidy Randriamananjara ny "2ème prix Jeune Espoir", tany Paris.

21:19

Maripana 9-15 marsa : Hisy fidinana kely ny maripana ambony indrindra any amin’ny ilany atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany.

16:22

ENMG : Ny 16 marsa ho avy izao ny adina am-bava ho an'ireo mpiadina rehetra afaka tamin'ny adina an-tsoratra.

13:47

« Raha tsy voaaro ny zon'ny vehivavy, tsy tanteraka ny rariny », hoy ny vadin'ny filohan'ny fanavaozana, Elisa Randrianirina

12:22

8 marsa 2026 : Tontosaina eny Anosy, manoloana ny lapan'ny Fitsarana Anosy, ny Diabe, ho fanamarihana ny fankalazana nasionaly.

10:02

8 mars : Journée internationale des droits des femmes. Il s'agit d'une journée de mobilisation pour l’égalité, la justice et l’autonomisation des femmes et des filles.

08:12

Hetsika Fosika : Miisa 13 ireo fitarainana voaray nandritra ny volana Febroary 2026. Nahitana fanaovana diplaoma sandoka 3, tranga isan-karazany 3, fandraisana mpiasa tsy ara-dalàna 5, tolotra fiofanana tsy ara-dalàna 1 ary kolikoly 1.

16:01

Nanolotra fanampiana mitentina 110 000 000 ariary, ho an’ireo traboina ao Toamasina, ny Fikambanan’ny orinasa sinoa miasa eto Madagasikara.

15:01

Nametrahana kioska vaovaon’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Boeny ao amin’ny sreanam-piaramanidina Mahajanga. Amin’ny alalan’ny QR code dia afaka mahita ireo toerana azo tsidihina sy fandraisam-bahiny ary fisakafoana ao an-toerana, ireo mpitsidika.

14:38

Any Toamasina, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’izao fotoana izao, hijery ny fizotry ny fitohizan’ny asa fanarenana ny tanàna.

12:01
Voir Plus

Ahoana no hitazonana ny fifantohana ao amin’ny toeram-piasana mikotaba ?

09/03/2026 16:30

Maro amintsika no tsy mahavita mifantoka amin’ny asa rehefa ao anaty toerana na tontolo mikotaba. Ny tabataba sy ny fanelingelenana samihafa dia mety mampihena ny fahombiazan’ny asa sy ny fifantohana. Soa fa misy fomba maro afaka manampy mba hitazonana ny fifantohana na dia misy feo manakotaba aza.

Famantarana fa malemy na marefo ny hery fiarovan’ny vatana

09/03/2026 10:45

Zava-dehibe amin’ny fiarovana ny vatana amin’ny viriosy, bakteria ary aretina isan-karazany ny hery fiarovan’ny vatana na « système immunitaire ». Rehefa miasa tsara izy io dia afaka miaro ny vatana amin’ny fanafihan’ny mikraoba sy ny zavatra manimba avy any ivelany. Rehefa malemy kosa izy dia mora tratran’ny aretina ny vatana. Ireto ary ny santionany amin’ireo famantarana mety maneho fa tsy miasa tsara ny hery fiarovan’ny vatana.

Ireo fahazarana 6 ananan’ny olona tena mamokatra amin’ny asa

06/03/2026 15:48

Tsy miankina amin’ny faharetan’ny ora iasana ao anatin’ny tontolo andro fotsiny ihany ny famokarana amin’ny asa, fa miankina indrindra amin’ny fomba fandaminana ny asa sy ny ezaka atao. Matetika aza dia tsy voatery miasa ela kokoa noho ny hafa ny olona tena mahomby. Avy amin’ny fahazarana tsara manampy azy hahavita zavatra bebekoa amin’ny fotoana voafetra no mahasamihafa azy ireo. Ireto àry misy fahazarana 6 anana’ny olona tena mamokatra amin’ny asa.

Fahasalamana : Ireo fahazarana manakorontana ny fandevonan-kanina

06/03/2026 11:54

Dingana lehibe ahafahan’ny vatana mandray ireo otrikaina ilainy mba hiasany tsara ny fandevonan-kanina. Misy nefa ireo fahazarana amin’ny fiainana andavanandro izay tsy tandrintsika ka mety hanakorontana ny fandevonan-kanina. Izany moa dia mahatonga tsy fahazoana aina toy ny fahatsapana mavesatra rehefa avy misakafo, kibo miziriziry… Ireto avy àry ireo fahazarana mety manakorontana ny fandevonan-kanina sy ny fomba hisorohana izany.

Fananahan’ny vehivavy : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « vaginisme »

05/03/2026 15:26

Olana ara-pananahana mety mitranga amin’ny vehivavy izay tsy dia resahana firy ny « vaginisme ». Vehivavy maro nefa no mety hiaina azy io mandritra ny fiainany. Mety hiteraka ahiahy, olana ara-panambadiana, fijaliana ara-batana sy ara-tsaina izy io raha tsy voaray an-tanana. Azo tsaboina tsara nefa ny « vaginisme » rehefa mahazo fanampiana sy fitsaboana ara-dalàna.

Mihena ny hery rehefa miha-antitra : ny antony sy ny fomba hisorohana izany

05/03/2026 13:33

Rehefa miha-antitra dia maro ny olona mahatsikaritra fa mihena tsikelikely ny heriny. Lasa toy ny mahasasatra kokoa ny tontolo andro, miadana kokoa ny fiverenan’ny hery rehefa avy miasa na niari-tory, ary indraindray mihena ihany koa ny fahavitrihana. Zavatra voajanahary moa izany satria misy fiovana maro mitranga ao amin’ny vatana sy ny saina. Na izany aza, misy fomba maro afaka manampy hitazomana sy hanatsarana ny herin’ny vatana na dia mandroso aza ny taona.

Fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava : ny fifandraisany amin’ny areti-mitaiza

04/03/2026 14:42

Tsy voafetra amin’ny tsy fisian’ny lavaka amin’ny nify sy ny hatsaran’ny fitsiky fotsiny ihany ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava. Araka ny voalazan’ny Organisation mondiale de la Santé dia anisan’ny aretina fahita indrindra maneran-tany ny aretina mahazo ny ati-vava sy ny nify, ka olona manodidina ny 3,5 miliara no voakasik’izany. Ankoatra izay dia efa voaporofo fa misy fifandraisana akaiky amin’ny aretina mitaiza maro izy ireny, toy ny aretim-po sy lalan-drà, ny diabeta, ary ny aretin’ny taovam-pisefoana sasany.

Fanatanjahantena aorian’ny fiterahana : ireo hevi-diso manodidina izany

04/03/2026 11:42

Maro amin’ny vehivavy avy miteraka no maniry hiverina hanao fanatanjahantena. Maro ny antony manosika azy ireo amin’izany : hahazo hery indray, hifankazatra amin’ny vatany vaovao, hanalefaka ny fanaintainana… Manoloana ireo torohevitra mifangaro, ny havizanana lalina, ny tsindry ara-tsosialy dia toa tsy mora ny mahafantatra hoe raoviana sy ahoana no hanomboana indray. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo hevi-diso mikasika ny fanatanjahantena aorian’ny fiterahana.

Setroky ny fatana ao an-trano : mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana

04/03/2026 09:12

Ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy dia mampiasa fatana saribao na kitay amin’ny fandrahoana sakafo. Mbola maro no tsy mahafantatra fa mety hisy fiantraikany amin’ny taovam-pisefoana ny setrok’izy ireny. ‘Ndeha ary ho resahana eto ny andinindininy mikasik’izany.

Marary lamosina, marary kibo: sao dia avy amin’ny fihetseham-po ?

03/03/2026 12:16

Efa nisy fotoana ve ianao nahatsapa ho mangotika ny kibo mialoha ny hanao fanadinana na fivoriana lehibe? Na nahatsapa toy ny misy zavatra mivesatra be eo amin’ny soroka rehefa avy niasa mafy mandritra ny herinandro? Tsy kisendrasendra ireny fahatsapana ireny: ny vatantsika no fitaratra voalohany mampiseho ny zava-mitranga any anaty fanahy any.

"Syndrôme du cœur brisé" : Tranga mitovitovy amin'ny "Crise cardiaque"

02/03/2026 10:17

Raha vao maheno hoe "cœur brisé" dia ilay olona voadonam-pitiavana na voadonam-piainana mafy no mby any an-tsaina. Avy amin'izany tokoa no nahazoana ilay "Syndrôme du cœur brisé", izay manakaiky ny "Crise cardiaque".

Ireo honohono sy hevi-diso mikasika ny fahafinaretan’ny vehivavy

27/02/2026 15:47

Mbola rakotra fahanginana sy fady maro ny resaka fahafinaretan’ny vehivavy, indrindra eto amintsika. Mbola betsaka noho izany ireo hevi-diso misy fiantraikany amin’ny fiainana ara-nofon’ny vehivavy sy ny fomba fijerin’ny fiarahamonina izany. Zava-dehibe ny mandrava ireo finoana diso ireo mba hanampiana ny vehivavy hanana fiainam-pananahana salama, mazava ary mifototra amin’ny fanajana. Araho ary ny santionany amin’ireo hevi-diso faheno.

Tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka : rahoviana no tokony hanahy ?

27/02/2026 11:03

Ny tosi-drà avo (hypertension) dia mahakasika eo amin’ny 5 ka hatramin’ny 10%-n’ny vehivavy bevohoka. Raha voafehy tsara izy io dia mety ho malefaka. Mety hitarika fahasarotana kosa nefa raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Noho izany, rahoviana no tokony hanahy ny tosidrà avo mandritra ny fitondrana vohoka ? Inona avy ireo famantarana mampitandrina ? Araho eto àry ny zavatra tokony ho fantatra.

Fitsirihana ara-pahasalamana alohan’ny hitoe-jaza : tena ilaina tokoa ve ?

26/02/2026 16:25

Mihamaro ankehitriny ny mpivady vao manatanteraka fitsiriana ara-pahasalamana alohan’ny fikasana hiteraka. Tsy mijanona amin’ny fanajanonana ny fanabeazana aizana ny fanomanana vohoka. Maro ny fitiliana sy lafin-javatra tokony hojerana alohan’ny hitoe-jaza mba hiantohana vohoka milamina. Araho ary ny andinindininy mikasika izany.

« Infection urinaire » miverimberina : ahoana ny atao hisorohana izany ?

26/02/2026 11:16

Ny vehivavy no tena voakasiky ny « infection urinaire » miverimberina fa mety ho voa ihany koa ny lehilahy sy ny ankizy. Lazaina ho miverimberina izy io raha miseho in-3 na mihoatra ao anatin’ny herintaona, na in-2 ao anatin’ny enim-bolana. Matetika dia “cystite” no endriny, ary mety hanelingelina ny fiainana andavanandro ka mila fitsaboana sy fisorohana sahaza. Ireto ary ny fomba manampy hisorohana ny « infection urinaire » miverimberina.

« Poil incarné » rehefa avy manao « épilation » : ny tsara fantatra mikasik’izany

25/02/2026 11:38

Ny « poil incarné », na volo tsy mivoaka hoy isika, dia ireo volo izay tsy mitombo eny ivelany araka ny tokony ho izy ka lasa mibahan-toerana eo ambanin’ny hoditra. Rehefa avy manala volo amin’ny alalan’ny « épilation » na fiaratana izy ireo no miseho. Manelingelina, ary mety manaintaina na manonitra izy ireny raha tsy voatandrina. Inona ary ireo antony mahatonga ny « poil incarné » ? Ahoana ny atao hikarakarana sy hisorohana azy ireny ?

« Boissons énergisantes » : ireo mety ho vokadratsiny eo amin’ny tanora

24/02/2026 14:29

Mahasarika tanora sy zatovo maro ankehitriny ireo zava-pisotro manome angovo na ny « boissons énergisantes ». Lazaina fa manampy amin’ny fifantohana, mampitombo hery rehefa manao fanatanjahantena ary mampihena harerahana mantsy izy ireny. Na dia aseho ho maoderina sy mampatanjaka aza izy ireny dia misy ihany koa ireo vokadratsy mety haterany amin’ny fahasalaman’ny tanoro sy ny zatovo mpisotro azy.

Diabeta sy tosidrà avo : inona no mampitombo be ireo tranga eto Madagasikara ?

24/02/2026 10:41

Tsy mitsaha mitombo ny olona tratry ny diabeta sy tosidrà ambony eto Madagasikara. Taloha dia noheverina ho aretin’ny « firenena mandroso » izy ireo, nefa ankehitriny dia tsikaritra fa mihatra amin’ny fianakaviana maro eto amintsika, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo antony mampitombo ireo aretina ireo eto Madagasikara sy ny fomba atao mba hisorohana azy ireny.

Te hihinana masira foana : inona no mety ho antony ?

23/02/2026 16:26

Ara-dalàna ny faniriana sakafo masira indraindray. Rehefa lasa matetika, mafy na tsy mety tapaka kosa nefa io faniriana io dia mety ho hafatra avy amin’ny vatana izany. Manana anjara asa lehibe amin’ny fiasan’ny vatana tokoa mantsy ny sira (sodium). Koa inona marina àry no mety tadiavin’ny vatana rehefa manosika antsika te hihinana zavatra masira foana izy ?

Fahasalamana : Ireo fahazarana mamizana antsika nefa tsy tsikaritra

23/02/2026 10:57

Tsy voatery ho avy amin’ny tsy fahampian-torimaso foana ny havizanana. Maro ny olona mahatsapa ho reraka na dia efa mihezaka tsy mandrera-tena aza. Raha ny marina dia misy fahazarana amin’ny andavanandro, izay heverina tsy mampaninona, kanefa mandany hery tsikelikely ary tsy tsikaritra. Ireto avy àry ny santionany amin’ireo fahadisoana mahazatra mamizana antsika… nefa tsy tsapantsika akory.

Les Partenaires