• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ici
Image
Fahasalamana&Sakafo

Inona no mahatonga ny lehilahy mierotra kokoa noho ny vehivavy ?

05/06/2026 13:33 © Moov.Mg

Manakorontana ny kalitaon’ny torimaso ary indraindray mampifamaly ny mpivady ny erotra amin’ny alina. Mierotra avokoa ny olona rehetra fa ny lehilahy no tena voakasik’izany. Fa inona àry no mahatonga ny lehilahy mierotra be kokoa noho ny vehivavy ? Araho eto ny tsara fantatra mikasik’izany.

Antony mampierotra kokoa ny lehilahy noho ny vehivavy : ny firafitry ny vatana

Isan’ny antony voalohany mahatonga ny lehilahy mierotra kokoa noho ny vehivavy dia nohon’ny firatry ny vatany. Rehefa tsy tafavoaka tsara ny rivotra ao amin’ny lalam-pisefoana dia lasa mampangovitra ireo sela malefaka ao amin’ny tenda ka izay mampierotra. Eo amin’io lafiny io dia manana lafiny roa maha samihafa azy amin’ny vehivavy ny lehilahy :
Lalam-pisefoana tery kokoa : Rehefa mitsangana ny lehilahy, dia lehibe kokoa ny « pharynx »-ny raha oharina amin'ny an'ny vehivavy. Saingy rehefa mitsotra kosa izy, dia mihafintina be sy mihatery tampoka io lalam-pisefoana io.
Ny « position du larynx ». Somary ambany kokoa ny fipetraky ny « larynx »-ny lehilahy. Izany dia mamorona faritra banga lehibe kokoa ao aorian'ny tenda. Rehefa mihamalefaka ny hozatra amin'ny alina, dia mora mivarina any aoriana ny lela, ka manentsina ny lalan'ny rivotra.

Ny fipetraky ny tavy

Tsy mitovy ny fomba fitahirizantsika olombelona ny tavy rehefa mitombo lanja. Matetika ny vehivavy dia amin’ny faritry ny fe sy ny valahana no mitahiry tavy. Ny lehilahy kosa dia eo amin’ny faritry ny kibo sy ny tenda no mitahiry izany.
Ny tavy be loatra manodidina ny hatoka sy ny tendan’ny lehilahy dia manindry mafy ny lalam-pisefoany. Mandritra ny torimaso dia manery ny tenda io tavy io ka manamora ny fahasentsenany ary mahatonga azy hierotra.

Ny hormonin’ny vehivavy

Isan’ny antony tsy mampierotra kokoa ny vehivavy raha mihoatra ny lehilahy ny hormonina ao amin’izy ireny, indrindra mandritra ny fahatanorany. Ny « œstrogènes » sy ny « progestérone » dia miasa toy ny mpiaro ny torimaso. Ireo hormonina ireo dia manentana ny hozatry ny lalam-pisefoan’ny vehivavy mba hivelatra foana ary mitazona ny herin'ny hozatry ny tenda ka manakana azy ireo tsy hilempona.
Rehefa tonga ny fotoana hitsaharan'ny fadimbolana (ménopause), dia mihena ireo hormonina mpiaro ireo. Manomboka eo lasa mierotra ny vehivavy ary saika mitovy amin’ny lehilahy mihitsy izany.

Ireo fahazarana manampy trotraka ny erotra

Na dia eo aza ireo lafin-javatra ara-batana mahatonga ny lehilahy mierotra kokoa noho ny vehivavy dia misy ihany koa ireo fahazaran-dratsy amin’ny fiainana andavanandro mety hanampy trotraka izany :
-Ny fisotroana toaka amin'ny alina izay mampangovitra sy mampalefaka loatra ny hozatry ny tenda, ka manampy trotraka ny fahasentsenan’ny lalam-pisefoana rehefa matory amin’ny alina.
-Ny sigara izay mampivonto sy mampandray rano ny sela ao amin'ny lalam-pisefoana.
-Ny fatoriana mitsilany izay mahatonga ny lela miemotra any anaty tenda.

Lire la suite

Articles Similaires