• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dexeryl
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo famantarana madinika mety manambara fikorontanan’ny hormonina

02/06/2026 16:02 © Moov.Mg

Havizanana tsy mety misinda, toe-po miovaova, olana madinika amin’ny hoditra…Maro ireo fambara kely mitranga isan’andro izay tsy dia rarahiantsika loatra nefa indraindray izy ireny fomba hanehoan’ny vatana fikorontanan’ny hormonina. Satria ny hormonina no mandrindra ny zava-drehetra ao amin’ny vatana : fomba fiasan’ny taova (métabolisme), torimaso, toe-po… dia mila jerena manokana ny amin’izy ireny raha sendra misy olana. Ireto àry misy famantarana madinika mety manambara fikorontanan’ny hormonina.

Havizanana tsy mety miala (na dia efa natory be aza)

Samy efa nandalo fotoana nahatsapana havizanana avokoa isika rehetra. Saingy raha vao mifoha maraina no efa reraka be toy ny tamin’ny fotoana alohan’ny natoriana, ary efa ampy adiny 8 ora ny torimaso, dia tsy ara-dalàna izany. Matetika io havizanana maharitra io dia avy amin’ny olana eo amin’ny « motera » mampandeha ny vatantsika.
Mety ho miasa miadana loatra ny « thyroïde » ka mahatonga ny vatana iray manontolo ho lasa mitsitsy hery (hypothyroïdie). Mety ihany koa nefa izany avy amin’ny havizanana loatra eo amin’ny « glandes surrénales » vokatry ny rarintsaina naharitra hany ka tsy mahavita mamokatra « cortisol » ara-dalàna intsony. Ny « cortisol » nefa no hormonina manome hery sy fahavitrihana rehefa mifoha maraina.

Fiovaovan'ny lanja izay tsy hay hazavaina

Raha toa ka mitandrina tsara amin’ny sakafo hoanina ary manao fanatanjahantena tsy tapaka nefa mitombo hatrany ny lanja dia mety ho avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina no mahatonga izany. Toy izay ihany koa raha toa ka mifanohitra amin’izany ny zava-misy : mihena tampoka nefa tsy nisy fiovana ny fomba fisakafoanana.
Mbola mety avy amin’ny « thyroïde » ihany koa izany. Raha mihoatra loatra ny fiasan’izy io dia lasa mampitombo haingana ny fiasan’ny taova ka mahatonga fihenan-danja. Raha toa kosa ka mihena ny fiasany dia lasa mihameda ny fiasan’ny taova ka mitarika fitomboan-danja. Ny « résistance à l’insuline » ihany koa dia manasarotra ny fanenan-tena.

Fiovaovan'ny toe-po tampoka sy fahasosorana lava

Ny fandalovana amin'ny fihomehezana mankany amin'ny ranomaso, na ny fahatsapana hatezerana be amin’ny zavatra kely tsy misy dikany dia voatery hoe toetra fotsiny ihany. Raha miverimberina na mitohy izany, dia mety ho avy amin’ny fikorontanan’ny hormonina.
Ny tsy fifandanjana eo amin'ny « œstrogènes » sy ny « progestérone » (matetika miseho alohan'ny fadimbolana na amin'ny « ménopause » dia isan’ireo antony lehibe mety ho antony mahatonga izany eo amin’ny vehivavy. Rehefa mihoatra ihany koa ny « cortisol », vokatry ny rarintsaina maharitra, dia mety hahatonga ny olona iray ho mora tohina.

Fiovan'ny endriky ny hoditra sy ny volo

Tsy voatery ho avy amin’ny tsy fahazakana vokatra « cosmétiques » foana ny fisian'ny mony mipoitra tampoka eo amin'ny faritry ny saoka eo amin'ny olon-dehibe, ny fihintsanan'ny volo mihoatra ny mahazatra, na ny fahamainan’ny hoditra be loatra.
Ny fitomboan'ny « androgènes », izay hormonina lahy misy ao amin'ny vehivavy ihany koa, dia mety mitarika fiovan’ny endriky ny hoditra sy ny volo. Matetika izany dia mifandray amin'ny aretina antsoina hoe SOPK (Syndrome des Ovaires Polykystiques), na koa ny fahakelezan'ny « œstrogènes ».

Inona no tokony hatao manoloana izany?

Raha mahatsikaritra ireo fambara madinika ireo dia ireto manaraka ireto no tokony atao manoloana izany :
-Jerena tsara ary soratana anaty diary kely ny famantarana tsapa mandritra ny herinandro vitsivitsy (ny hamafiny, ny fotoana nisehoany, ny fifandraisany amin'ny fadimbolana ho an’ny vehivavy).
-Maka fotoana hihaonana amin'ny mpitsabo tsotra na mpitsabo momba ny hormonina (endocrinologue) na mpitsabo vehivavy (gynécologue). Matetika ny fitiliana rà tsotra dia efa ampy hahitana ny marina.
-Hatsaraina ny fomba fiaina. Manampy betsaka amin’ny famerenana ny fifandanjan’ny hormonina ny sakafo ara-pahasalamana, fitantanana ny rarintsaina ary ny torimaso ampy.

Lire la suite

Articles Similaires