• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Rarintsaina : inona no mety fiantraikany eo amin’ny tsingerin’ny fadimbolana ?

01/06/2026 16:39 © Moov.Mg

Tsy ny toe-po na ny torimaso ihany no mety ho voakasiky ny rarintsaina. Mety hisy fiantraikany mivantana amin’ny tsingerim-bolana na « cycle menstruel » ihany koa izy io. Betsaka ny vehivavy mahatsikaritra fiovana amin’ny fadimbolany rehefa mandalo fotoan-tsarotra, tebiteby na havizanana mafy. Araho eto àry ireo mety ho fiantraikan’ny rarintsaina eo amin’ny tsingerin’ny fadimbolana.

Inona no ifandraisan’ny rarintsaina amin’ny tsingerin’ny fadimbolana ?

Ny tsingerin’ny fadimbolana na ny « cycle menstruel » dia fehezin’ny hormonina sy ny atidoha, ao amin’ny faritra iray antsoina hoe « hypothalamus », izay tena mora voakasiky ny rarintsaina. Rehefa miaina adin-tsaina ny vehivavy dia mitombo ny famokaran’ny vatany « cortisol », izay hormonina antsoina ihany koa hoe « hormone du stress ».
Ny fiakaran’ny « cortisol » dia mety hanelingelina ireo hormonina mifehy ny famokarana atody (ovulation) sy ny fadimbolana (règles). Ireto manaraka ireto àry ny tranga mety ateraky ny rarintsaina eo amin’ny tsingerin’ny fadim-bolana.

Mety ho tara… na tsy tonga mihitsy ny fadimbolana

Isan’ireo toe-javatra hita matetika indrindra rehefa misy rarintsaina ny vehivavy ny fahataran’ny fadimbolana. Misy amin’ny vehivavy sasany no tara andro vitsivitsy ny fadimbolany. Ny hafa kosa mety tsy tonga mihitsy izany mandritra ny iray volana na mihoatra aza.
Ny anton’izany dia satria ny rarintsaina dia mety hanemotra na hanakana ny famokarana atody na « ovulation ». Rehefa tsy mandeha ara-dalàna ity farany dia mety hiova ny datin’ny fadimbolana. Amin’ny ankapobeny moa dia toe-javatra mandalo ihany izany satria rehefa mihena ny rarintsaina dia miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny tsingerin’ny fadimbolana.

Mety ho be kokoa na kely kokoa ny rà mivoaka

Ny rarintsaina eo amin’ny vehivavy ihany koa dia mety hanova ny habetsahan’ny rà mandritra ny fadimbolana. Eo amin’ny vehivavy sasany dia mety betsaka kokoa noho ny mahazatra ny rà mivoaka, indraindray misy « caillots ».
Amin’ny vehivavy hafa kosa nefa mety kely kokoa ny rà mivoaka na fohy noho ny mahazatra ny faharetan’ny fadimbolana. Matetika moa dia miverina amin’ny laoniny ihany koa io toe-javatra io rehefa mihena ny rarintsaina.

Mety hitombo ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana

Mety hampitombo ny fanaintainana mandritra ny fadimbolana ihany koa ny rarintsaina. Mety hihamafy fanaintainan’ny kibo, ny fanaintainan’ny lamosina, ny fahatsapana na ny havizanana.
Rehefa misy rarintsaina dia mora mahatsapa fanaintainana kokoa ny vatana. Izany no mahatonga ny soritr’aretina efa mahazatra mandritra ny fadimbolana ho toa mafy kokoa noho ny mahazatra rehefa miaina adin-tsaina ny vehivavy ao anatin’io fotoana io.

Rahoviana no tsara manatona mpitsabo?

Matetika dia tsy mampanahy loatra ny fiovana indray mandeha eo amin’ny tsingerin’ny fadimbolana ateraky ny rarintsaina. Na izany aza dia tsara ny manatona mpitsabo raha :
-tsy tonga mandritra ny volana maromaro ny fadimbolana;
-mafy be na tsy mahazatra ny fanaintainana ;
-be loatra ny rà mivoaka ;
-miova maharitra ny tsingerimbolana nefa tsy fantatra mazava ny antony ;
-misy ahiahy hoe sao mitoe-jaza.
Na dia mety avy amin’ny rarintsaina azy ny fiovana mitranga dia tsy voatery ho izy irery foana ihany no mahatonga izany.

Lire la suite

Articles Similaires