Solonify : Ny "dentiste" na "prothésiste dentaire" ihany no tokony hanamboatra izany !
Miha-maro ireo mpanao asa tanana misehatra amin'ny tontolon'ny ativava, indrindra ny fanamboarana solonify. Mety hitera-doza nefa izany, ka entanina ny rehetra mba hanantona manampahaizana hatrany.
Tovolahy iray no namoy ny ainy taorian'ny fanalana nify tany Antanifotsy. Raha ny loharanom-baovao, olon-tsotra manana fitaovana sy misehatra amin'ny asa fitsaboana nify no nisandoka ny asan'ny "dentiste", ka nahatonga ny loza. Nanamafy ihany koa ny holafitry ny mpitsabo nify eto Madagasikara fa miha-mitombo ny isan'ireo olona tratran'ny homamiadan'ny akanjonify (Cancer de la gencive) na ny homamiadan'ny valanorano (Cancer de la mâchoire), noho ny solonify tery loatra na misy akora mampidi-doza. Tsy adino ny trangan'aretina samihafa, mora na sarotra tsaboina, toy ny fivontosana.
Fampahatsiahivana sy fampitandremana mikasika ny solonify
Ireo olona nahavita fianarana mikasika ny fitsaboana nify irery ihany no tokony afaka manokatra ny vavan'ny marary : na "dentier" na "prothèse dentaire" no hatao dia tsy maintsy ireo manam-pahaizana voaofana no mikirakira izany. Tsy vitan'ny fakana lasitra sy fanamboarana nidy artifisialy mantsy ny solonify, fa misy fepetra marobe tsy maintsy arahina, na ara-pitaovana, na ara-teknika, na ara-pahadiovana.
Entanina araka izany ny rehetra mba tsy hitoky amin'ireo mpanao dokambarotra etsy sy eroa raha vao fahasalamana no resaka. Saropady mantsy ny ativava, ka na akora tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy aza dia mety hitera-doza. Tsy azo lavina fa maro ireo mpanao asa tanana no mahafehy ny fanamboarana solonify, ka tsy vitsy ireo sodoka noho ny sarany mora. Misy ihany koa ireo mpanampy (assistant)-n'ireo mpitsabo nify ka mihevitra fa "mahay ny zavatra rehetra" noho ny fanatrehana ny asan'ilay "dentiste" nandritra ny taona maro.




