• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Santé Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sery sa “sinusite” : ahoana no anavahana azy?

19/05/2026 16:35 © Moov.Mg

Jenjina ny orona, marary andoha, reraka… ireo matetika no miseho rehefa mangatsiaka ny andro. Maro amintsika no manafangaro ny sery sy ny “sinusite” nefa dia aretina samy hafa izy ireo ary tsy mitovy ny fitsaboana azy. ‘Ndeha àry ho resahana ato anatin’ny lahatsoratra ireo fanazavana manampy mba hahafantarana ny maha samy hafa ny sery sy ny “sinusite”.

Ny sery : aretina vokatry ny viriosy

Ny sery dia aretina mahazo ny lalam-pisefoana ambony izay ateraky ny viriosy. Matetika izy io dia miseho tsikelikely ary afaka ao anatin’ny 5 ka hatramin’ny 10 andro eo ho eo. Anisan’ireo soritr’aretina fahita:
-Misy lelo,
-Mievina matetika,
-Marary na mangidihidy ny tenda,
-Reraka kely,
-Tsy dia misy tazo na tazo malefaka,
-Mety hisy kohaka.
Amin’ny voalohany dia matsora ny lelo, avy eo mety hihamatevina na hiova loko rehefa afaka andro vitsivitsy, nefa tsy voatery hidika izany hoe misy otrikaretina bakteria.
Matetika dia sitrana ho azy ny sery rehefa maka aina tsara, misotro rano ampy ary manadio orona amin’ny ranom-panasana orona (SSI).

Ny “sinusite” : “inflammation” ao amin’ny “sinus”

Ny “sinusite” dia “inflammation” ao amin’ny “sinus”, izany hoe ireo lavaka kely manodidina ny orona sy ny maso. Viriosy, bakteria na “allergie” no mety mahatonga azy. Matetika ny izy io dia miseho rehefa tsy sitrana tsara ny sery. Anisan’ny soritr’aretin’ny “sinusite” ny:
-Fanaintainana na fahatsapana fanerena eo amin’ny handrina, takolaka na manodidina ny maso,
-Orona jenjina maharitra,
-Lelo matevina mavo na maitso,
-Marary andoha, indrindra rehefa miondrika,
-Reraka be,
-Mety hisy tazo,
-Mihena ny fahenoana fofona.
Ny fanaintainana eo amin’ny tarehy dia iray amin’ireo famantarana lehibe mampiavaka ny “sinusite” amin’ny sery.

Rahoviana no tokony hijery dokotera ?

Tsara ny manatona mpitsabo raha toa ka :
-maharitra mihoatra ny 10 andro ny soritr’aretina ;
-mafy ny fanaintainana eo amin’ny tarehy ;
-avo ny tazo ;
-miharatsy indray ny aretina rehefa avy nihatsara ;
-sahirana miaina.
Indraindray ny “sinusite” vokatry ny bakteria dia mety mila fitsaboana manokana, toy ny antibiotika omen’ny dokotera.

Ahoana no hisorohana azy ?

Ireto misy fomba tsotra hanampy hisorohana azy :
-manasa tanana matetika ;
-mampiditra rivotra ao an-trano isan’andro ;
-misotro rano ampy ;
-miala sigara ;
-mitsabo « allergie » ara-pisefoana ara-potoana.



Lire la suite

Articles Similaires