Ireo fahadisoana mahazatra amin’ny fampiasana fanafody natoraly
Maro ankehitriny ny olona mitodika amin’ny fanafody natoraly na « remèdes naturelles ». Ahitana dite, « huile essentielle », ravinkazo ary fangaro isan-karazany atao ao an-trano izany. Matetika izy ireny no heverina ho fomba malefaka sy azo antoka kokoa amin’ny fitsaboana. Marihana nefa fa tsy rehefa hoe natoraly dia « azo antoka » foana. Misy fahadisoana mety hampihena ny fahombiazan’ny fanafody, hiteraka voka-dratsy na hanamafy ny aretina aza. Ireto avy ireo fahadisoana mahazatra tokony hialana amin’ny fampiasana fanafody natoraly.
Mihevitra fa tsy misy « risques » rehefa zavatra natoraly
Io no isan’ireo fahadisoana tena fahita mikasika ny fampiasana fanafody natoraly. Misy nefa zava-maniry sy fangaro natoraly sasany tena mahery fiantraikany amin’ny vatana. Ohatra, misy « huile essentielle » mety hampangidihidy hoditra, hahatonga « allergie » na mety hampidi-doza ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny ankizy madinika. Misy koa zava-maniry sasany mety hisy fiantraikany amin’ny tosidra, aty, voa na fo raha ampiasaina tsy araka ny tokony ho izy. Noho izany, mila fitandremana sy fatra voafehy hatrany na dia vokatra natoraly aza no ampiasaina.
Mampifangaro fanafody natoraly maro tsy am-piheverana
Misy olona mampiasa dite, ravinkazo na fangaro natoraly maro indray miaraka satria mieritreritra fa vao mainka izany hahomby kokoa. Marihana nefa fa misy fangaro mety hiteraka « réactions » tsy ampoizina na voka-dratsy.
Ohatra, raha mampifangaro zavatra maro mampatory na mampitony ny olona iray dia mety hahatonga havizanana tafahoatra na fanina izany. Tsara kokoa àry ny tsy manao fangaro be loatra raha tsy tena mahalala ny mety ho vokany.
Manolo tanteraka ny fitsaboana ara-panafody
Mety hanampy hanamaivana soritr’aretina sasany ny fanafody natoraly ary afaka manampy amin’ny fikarakarana ny vatana ihany koa. Saingy mety hampidi-doza ny fanoloana ny fitsaboana omen’ny dokotera amin’izy io raha tsy nahazo torohevitra ara-pitsaboana, indrindra amin’ny aretina toy ny diabeta, tosidra na aretina sasany mila fitsaboana haingana. Misy olona koa miandry ela vao manatona mpitsabo satria manantena ho sitrana amin’ny fomba natoraly fotsiny ihany. Mety hampitombo ny olana anefa izany.
Mampiasa fatra tafahoatra
Maro no mihevitra fa raha ampitomboina ny fatra dia vao mainka haingana ny vokatra. Marihana nefa fa mety ho lasa manimba ny vatana ny zava-maniry na « huile essentielle » sasany rehefa be loatra ny ampiasaina.
Na ny dite avy amin’ny ravinkazo aza dia mety hiteraka olana raha sotroina tafahoatra mandritra ny fotoana maharitra. Zava-dehibe foana ny fanarahana fatra mety.
Mino avy hatrany izay torohevitra hita amin’ny aterineto
Be dia be ny torohevitra sy « remèdes naturelles » miparitaka amin’ny tambajotra sosialy sy horonantsary isan-karazany. Saingy tsy midika izany fa marina na azo antoka daholo izy ireny. Misy aza mety tsy mahomby na mety hisy vokadratsy amin’ny toe-pahasalamana sasany.
Samy hafa ny fandraisan’ny vatana ny zavatra ampiasaina, arakaraka ny taona, ny toe-pahasalamana ary ny fanafody efa raisina. Noho izany dia tsara foana ny manamarina ny loharanom-baovao.




