Fahasalamana : Ireo fahazarana mahatonga fanaintainana amin’ny lohalika
Tsy ny zokiolona na ny mpanao fanatanjahantena ihany no voakasiky ny fanaintainana amin’ny lohalika. Misy fahazarana sasany amin’ny andavanandro mety manery be loatra io tonon-taolana io ka mampitombo ny « risques » hisian’ny fanaintainana rehefa mandeha ny fotoana. Ny fahafantarana ireo fahazarana tsy mety ireo dia manampy amin’ny fiarovana ny lohalika sy ny fitazonana azy hiasa ara-dalàna.
Fahazarana mahatonga fanaintainan’ny lohalika : mipetraka ela loatra
Ny fipetrahana mandritra ny ora maro dia mampihena ny fiasan’ny hozatra manohana ny lohalika. Rehefa mandeha ny fotoana dia mety hiteraka fahamafisan’ny tonon-taolana sy fahalemen’ny hozatra eo aminy izany, ka mahatonga fanaintainana rehefa mihetsika. Tsara ny mitsangana sy mandeha kely isaky ny ora iray, indrindra ho an’ireo miasa mipetraka lava.
Hatavazana tafahoatra
Isan’ireo anton-javatra mampitombo ny « risques » hisian’ny fanaintainana amin’ny lohalika ny hatavezana tafahoatra. Ny kilao fanampiny tsirairay dia mampitombo ny enta-mavesatra zakain’ny lohalika rehefa mandeha, miakatra tohatra na manao hetsika ara-batana. Rehefa maharitra moa izany dia mety hanafaingana ny fahasimban’ny taola-malemy ka hiteraka fanaintainana.
Tsy manao fanatanjahantena na hetsika ara-batana
Ny tsy fihetsehana dia mampalemy ny hozatry ny tongotra sy ny fe, izay manohana ny lohalika. Rehefa malemy ireo hozatra ireo dia lasa miankina bebe kokoa amin’ny tonon-taolana ny vatana, ka mety hiteraka fanaintainana. Manampy betsaka amin’ny fiarovana ny lohalika ny fanaovana fanatanjahantena maivana sy ara-dalàna.
Fanaovana kiraro tsy mampahazo aina
Ny kiraro efa tonta, mafy loatra na tsy manohana tsara ny tongotra dia mety hanova ny fomba fandehan’ny vatana. Izany dia miteraka tsindry (pression) tsy ara-dalàna amin’ny lohalika ka mety hiteraka fanaintainana, indrindra rehefa mandeha lavitra.
Manao fanatanjahantena tsy misy fanomanana (échauffement)
Ny fanombohana hetsika ara-batana tsy misy “échauffement” dia mampitombo ny mety hisian’ny ratra sy fanaintainana amin’ny lohalika. Ny fanomanana kely dia manampy amin’ny fampandehanana ny ra sy ny fanomanana ny vatana.
Tsy miraharaha fanaintainana maharitra
Ny fanohizana hetsika na dia efa misy fanaintainana aza dia mety hampitombo ny olana. Raha maharitra andro maromaro ny fanaintainana amin’ny lohalika dia tsara ny manatona mpitsabo.




