Inona no mampatavy ny lehilahy nefa tsy misakafo mihoatra ny mahazatra ?
Maro ny lehilahy no mahatsikaritra fa mitombo lanja tsikelikely nefa tsy mahatsapa hoe nihinana mihoatra noho ny mahazatra. Tsy voatery avy amin’ny sakafo no mety mahatonga izany. Misy fiovana maro ao amin’ny vatana sy eo amin’ny fomba fiaina izay mety hitarika fitomboan-danja. ‘Ndeha àry ho fantarina eto ireo antony mety mampatavy ny lehilahy nefa tsy mihinana be mihoatra ny mahazatra.
Mihena tsikelikely hafainganam-pandehan’ny « metabolisme » rehefa mihalehibe
Rehefa mandeha ny taona dia miova ny fiasan’ny vatana. Tsy mandoro kaloria betsaka toy ny tamin’ny fahatanorana intsony izy. Izany hoe mety mitovy amin’ny teo aloha ihany ny sakafo hoanina, fa ny vatana kosa tsy mandany angovo mitovy intsony ka mahatonga ny tavy hiangona ao amin’ny vatana.
Ankoatra izany dia mihena tsikelikely koa ny hozatra rehefa mihalehibe, indrindra raha tsy dia mampihetsiketsi-batana firy. Ny hozatra nefa dia mandoro angovo hatrany na dia amin’ny fotoana tsy hampiasana vatana aza. Rehefa miha kely ny hozatra dia lasa miha kely ihany koa ny angovo voadoro ka mahatonga ny vatana hitahiry tavy bebe kokoa.
Mihena ny fampiasana vatana isan’andro nefa tsy tsikaritra
Indraindray tsy ny sakafo no miova, fa ny fihetsika sy ny fivezivezena andavanandro. Ohatra:
-mipetraka ela kokoa any am-piasana,
-mandeha tongotra kely kokoa noho ny taloha,
-tsy dia manao fanatanjahantena intsony,
-mandany fotoana bebe kokoa amin’ny fiara na eo anoloan’ny efijery.
Na dia kely aza ireo fiovana ireo dia mety hisy vokany rehefa miverimberina isan’andro. Raha mihena ny angovo lanin’ny vatana dia mora kokoa ny mitahiry tavy, ka mety hiakatra tsikelikely ny lanja ao anatin’ny volana maromaro.
Ny rarintsaina sy ny tsy fahampian-torimaso
Ny rarintsaina maharitra dia mety hisy fiantraikany amin’ny hormonina sasany ao amin’ny vatana, indrindra ilay antsoina hoe « cortisol ». Raha avo ela loatra ny tahan’io hormonina io dia mety hampitombo ny fitahirizan’ny vatana tavy, indrindra eny amin’ny kibo. Mety hampitombo fahazotoan-komana ihany koa ny rarintsaina, na hahatonga filàna sakafo mamy sy matavy kokoa.
Toy izany koa ny tsy fahampian-torimaso. Rehefa tsy ampy torimaso ny vatana dia mety hikorontana ny hormonina mifehy ny hanoanana sy ny fahafaham-po. Vokany, mety tsy tsikaritra akory fa miova ny fahazotoan-komana na ny fitahirizan’ny vatana angovo.
Fiovan’ny hormonina ao amin’ny vatana
Misy lehilahy sasany koa mitombo lanja noho ny fiovan’ny hormonina. Mety ho isan’ireo antony mahatonga izany ny :
-fihenan’ny « testostérone » rehefa mihalehibe,
-olana amin’ny « thyroïde »,
-fiakaran’ny « résistance à l’insuline »,
-na fiovana hafa mifandray amin’ny « metabolisme ».
Ireo rehetra ireo dia mety hahatonga ny vatana hitahiry tavy bebe kokoa, indrindra eny amin’ny kibo sy ny tratra, na dia tsy niova firy aza ny fahazarana misakafo.
Fahazarana madinika tsy tsikaritra
Maro ny olona mihevitra hoe “mitovy foana ny sakafo hohaniko”, nefa indraindray ny zavatra madinika no miova tsikelikely nefa tsy tsikaritra. Ohatra :
-misotro zava-pisotro mamy matetika kokoa,
-misakafo kely eo anelanelan’ny fotoana fisakafoanana,
-mampitombo fatra kely isaky ny misakafo,
-mihinana tsakitsaky amin’ny alina,
-misotro toaka matetika kokoa.
Rehefa mitambatra isan’andro ireo fahazarana madinika ireo dia mety hitarika fitomboan-danja rehefa mandeha ny fotoana.
Rahoviana no tsara manatona mpitsabo?
Raha tampoka ny fitomboan-danja, na mitombo haingana tsy mazava ny antony, dia tsara ny manatona mpitsabo mba hijerena izany akaiky, indrindra raha miaraka amin’ireo soritr’aretina ireto :
-havizanana tsy mahazatra,
-kibo mibontsina,
-tsy fahampian-kery,
-fahasarotana matory,
-fahatsapana reraka matetika,
-fiovana eo amin’ny filàna ara-nofo.




