Antananarivo : Hitohy ny fanadiovana sy ny fanentanana na aorian'ny fivorian'ny COI aza
Mikofokofoka manadio sy manatsara ny tanàna ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao herinandro alohan’ny Fihaonamben’ny firenena ato anatin’ny ranomasimbe Indianina (COI) izao. Manomboka eo amin’ny lapan’ny tanàna izany ary mihitatra manerana ny lalana sy ny tanàna rehetra. Natao indrindra izany mba handraisana amin’ny fomba mendrika ireo vahiny, hoy ny fanazavana.
Hitohy amin’ny boriborintany 6
Tafiditra ao anatin’io fiomanana amin’io fihaonambe io ny fanadiovana, fandokoana ny sisin-dalana sy ireo sary famantarana amin’ny lalana ary ihany koa ny fanavaozana ny lalan-dratsy. Tsy ambakan’izany ny fandokoana ny « Arcade » Analakely sy ny fandaminana ny tsena. Miteraka resa-be anefa izany satria somary nijanona io fanatsarana endrika ny tanàna io nandritra ny fotoana naharitra. Herinandro vitsivitsy anefa izay dia niara-nientana ireo fitaleavana ao amin’ny CUA sy ireo minisitera samihafa amin’ity asa fanadiovana ity.
Manoloana izany dia nanamafy ny Ben’ny tanàna fa tsy hijanona amin’io 24 avrily io ihany ny asa fanadiovana sy ny fanatsarana ny tanàna. « Eto amin’ny ampovoan-tanàna aloha no hanombohana ity asa ity. Hitohy eny amin’ireo boriborintany miisa 6 manerana ny Kaominina izany ary hampandraisina andraikitra avokoa ny rehetra », hoy i Harilala Ramanantsoa, nanazava ny asa, tamin’ity anio ity.
Araka izany, hihitatra manerana ny tanàna ny asa fanatsarana. « Mangataka ny fiaraha-miasan’ny rehetra aho, ao anatin’izany ny Délégué au Maire, ny sefom-pokontany ary ireo vondrona eny anivon’ny fiaraha-monina », hoy hatrany ny tenany. Hiarahana mientana izany ny firosoana amin’ny fanatsarana ny tanàna sy ny fanadiovana.
Tetsy ankilany ihany koa dia nanamarika ity Ben’ny tanàna ity fa efa fanamby ho azy ny fandrindrana ny tanàna, hatramin’ny fandaminana ny fifamoivoizana ka ho ezahiny mba haharitra izany. Nambarany tamin’izany fa efa mandray ny andraikiny ao anatin’ireo asa ireo ny fitaleavana samihafa eo anivon’ny CUA.