• Cours de change
  • 5046.36 AR
  • |
  • $4448.45 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Hetsika « Salon Déchets – Alternatives Écologiques » : Hampiroboroboana ny fampiasana angovo madio

17/04/2025 16:46 © Moov.Mg

Nosokafana androany 17 aprily 2025 ny andiany faharoa amin’ny hetsika « Salon Déchets – Alternatives Écologiques », eny amin’ny Carlton Anosy. Mampivondrona ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanodinana fako ity hetsika ity, na ireo orinasa madinika sy salantsalany, na ireo orinasa vaventy, na ireo fikambanana isan-tsokajiny ihany koa.

Fampihaonana ireo mpisehatra

Ministera miisa 3 no miahy ny hetsika « Salon Déchets – Alternatives Écologiques », dia ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny ministeran’ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fanadiovana. Mpiara-miombona antoka maro ihany koa no manohana ny hetsika, toy ny Welthungerhilfe (WHH), Ran’EAU, GADAEM sy ny Madagascar Clean Cooking Initiative (MCCI).

Isan’ny tanjona lehibe, amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity, ny hampifanatonana ireo orinasa tanora vao misandratra amin’ny sehatry ny fanodinana fako sy ireo orinasa vaventy izay mampiasa angovo betsaka amin’ny asa famokarana ataony. Kendrena mba ho tonga amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa izany, mba ho fampihenana ny fampiasana ny kitay sy ny arina, ka hirosoana bebe kokoa mankany amin’ny fampiasana angovo madio. Tanjona ihany koa, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine, ny hahafantarana ny filàn’ireo mpisehatra, mba hahafahan’ny Fanjakana manohana bebe kokoa azy ireo.

Fandrahoana madio

Nanamarika, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, fa mihoatra ny 95%-n’ny tokantrano malagasy no mbola mampiasa arina sy kitay. Tanjona lehibe napetraka ny mba hisitrahan’ny vahoaka malagasy, hatramin’ny 50%, ny fandrahoana madio. Ho ripaka ny ala raha mitohy ny fampiasantsika kitay sy saribao, hoy izy, ary isika ihany no hianjadian’ny vokatr’izany. Notsiahiviny ihany koa fa efa eo am-pamolavolana ny pôlitika nasiônaly momba ny fandrahoana madio (politique nationale de cuisson propre) izay tohanan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.

Hifarana rahampitso ity hetsika « Salon Déchets – Alternatives Écologiques » ity. Adihevitra an-databatra boribory, famelabelaran-kevitra, trano heva fampiratiana ireo vokatra azo avy amin’ny fanodinana fako, fifaninana hahazoana loka… no mandrafitra ny hetsika.

Lire la suite

Articles Similaires