Fiatrehana ny loza : Nanolotra fiara sy môto ho an’ny BNGRC ny fandaharanasa Mionjo
Mandavan-taona ny trangana loza eto Madagasikara, na loza voajanahary izany, na karazana loza hafa mety hiantraika amin’ny olombelona sy ny fananany. Isan’ny mizaka ny mafy indrindra, vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro ny any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara, izay iasan’ny fandaharanasa Mionjo. Mba ho tohana amin’ny fiatrehana amin’izany, dia notolorana fampitaovana ny BNGRC.
Fiatrehana ny loza mandavan-taona
Fiara tsy mataho-dalana 1 sy môtô miisa 12 no natolotry ny fandaharanasa Mionjo ho an’ny Birao Nasiônaly misahana ny Fitantanana ny Tandindon-doza sy ny Loza (BNGRC), omaly teny amin’ny La Pagode, kaominina Ambohijanaka. Ho fanampiana amin’ny fiatrehana ny loza, no anton’izao fanomezana izao. Araka ny nambaran’ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja, tale jeneralin’ny BNGRC, dia tsy ny loza voajanahary fotsiny no sahanin’ity birao nasiônaly tantanany ity, fa eo ihany koa ny loza vokatry ny nataon’olombelona, ny loza ara-pahasalamana, na ihany koa ny loza ara-indostrialy. Araka izany, misy loza atrehina foana mandavan-taona. Noho ny fahazoana ireto fitaovana ireto dia halaky kokoa ny asa hatao, hoy izy. Nomarihiny ihany koa fa ao anatin’ny hamehana foana no hampiasana ireo fitaovana vao natolotry ny fandaharanasa Mionjo ireo.
Hampiasaina any Atsimo
Raha ny nambaran’ny sekretera nasiônaly lefitry ny fandaharanasa Mionjo, Ratsimandresy Vladimir, dia manana ny traikefa amin’ny fiomanana sy ny fiatrehana ary ny fiarenana amin’ny loza, ny BNGRC. Ary satria any Atsimo Andrefana, Androy ary Anôsy, izay Faritra telo any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara no tena iompanan’ny fandaharanasa, dia hampiasaina indrindra hanohanana ireo mponina any an-toerana, ny 80% hatramin’ny 90% amin’ireto fitaovana ireto, araka ny nambaran’ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Ny andrasana, araka ny nambaran’ny sekretera nasiônaly lefitry ny fandaharanasa Mionjo, dia ny hahafahan’ny BNGRC mametraka ireo pitsopitsony ara-teknika, ara-pitaovana sy arak’olona amin’ireo faritra ireo, mba hahafahana miaro ny orintsatoka (investissement) sy ireo asa tanterahina any an-toerana.
Tsy maintsy mijery ny fampitaovana, izay vahaolana hiatrehana sy hiomanana amin’ny loza ary ho fanarenana, ny ministeran’ny Atitany, izay miahy ny BNGRC, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraliny, Rajafetra Setraniaina. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpiasan’ny BNGRC, ka rariny raha mitady ny fomba hanampiana ny fitaovana ilaina ny ministera, satria midadasika i Madagasikara, hoy izy nanamafy.
Ny fandaharanasa Mionjo moa dia misehatra amin’ny lafin-javatra maromaro, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny fampidiran-drano, ny fiarovana ny tontolo iainana… any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, izay marefo indrindra, manoloana ireo loza isan-karazany.