• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

RN 2 : Nitrangana lozam-pifamoivozana namoizana ain'olona

18/04/2025 20:22 © Moov

Camion sy fiara Sprinter iray no nifandona ny tolakandron'ny zoma 17 aprily, 5 kilometatra tsy hidirana ny tananan'i Toamasina.

Potika tanteraka ilay fiara Sprinter miloko volondavenina, indrindra ny tapany havia manandrify ny mpamily. Nisy ireo maty sy naratra satria mafy loatra ny fifandonana.

Fandraisana an-tanana ireo maratra

Niara-nientana ireo mponina teny amin'ny manodidina namonjy ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara Sprinter. Nentina avy hatrany tany amin'ny Hopitaliben'i Toamasina izy ireo.
Araka ny loharanom-baovao avy amin'ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana ao amin'ny faritra Atsinanana, miisa 5 ireo marary raisina an-tanana, ka ny iray amin'ireo dia zazakely vao iray volana monja. Ny 4 kosa dia olon-dehibe. Ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka, amin'ny alalan'ny DSRP Atsinanana, no miantoka ireo niharam-boina velon'aina soa aman-tsara ireo. Hatreto aloha, efa tontosa ny "Soins d'urgence" sy ny fitarafana. Efa mahazo ireo fanafody sahaza azy ihany koa ny tsirairay.

Fitandremana

Tamin'ity zoma 17 aprily ity, tsy teny amin'ny RN2 ihany no nisy loza. Nahitana "accident" ihany koa ny teny amin'ny RN7. Nisy ilay fiara fitaterambahoaka nivadika teny Behenjy. Ny takariva teo kosa, nisy fiara mpitondra marary nandrona fiara Camionette. Vokatry ny fifandonana mafy sy ny fijanonana tampoka, nisy fiara tsy mataho-dalana sy kodiarandroa voakasika ihany koa.

Amin'izao ankatoky ny fetin'ny Paska izao, mihamafy ny fanentanana tanterahin'ireo tompon'andraikitra misahana ny fitaterana sy ny fifamoivozana. Asaina ireo mpampiasa lalana rehetra mba hitandrina hatrany. Entanina izay rehetra mitondra fiara mba tsy handray zava-pisotro mahamamo mihitsy, tsy hampiasa finday eny am-pamiliana ary hanaja ny "code de la route". Tsara raha ampy torimaso tsara ny mpamily mba isorohana ireo olana ara-pahasalamana samihafa, indrindra ho an'ireo mandeha lavitra.


Copyright Image : © ATT

Lire la suite

Articles Similaires