Roland Raelison : Nodimandry ilay kintan'ny mozika malagasy
Lavo ny andrarezina. Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany ny mpanakanto Roland Raelison, Raiben'i Faniry Raelison.
"Very vakana aho zavavy, indro tonga mba hiangavy ... Tena vakana tsara indrindra, tsy miova ary tsy mba mifindra .... "
Mpanakanto tsy lefy laza
1938-2025. Anarana tsy vaovao amin'ny mpankafy kanto Malagasy tranainy izany Roland Raelison izany. Mpitendry valihamarovata (piano) sady mpamoron-kira no tena hahafantarana azy. Anisan'ireo sangan'asany tena nalaza teto Madagasikara ireo hiran'i Gabhy & Perle. Namoaka "album" mitondra ny lohateny hoe "Ekeko satria" ireo mpanakanto ireo tamin'ny taona 1 974, ka "vinyl" no niraketana izany.
Ny taona 1962 i Roland Raelison no nandao an'i Madagasikara, ka nihazo an'i La Réunion. Nitendry zava-maneno tamina trano filanonana maro tany an-toerana ny tenany sady namoron-kira hatrany. Maro tokoa ireo fankasitrahana azony tamin'izany. Tamin'ny taona 1 977 ny tenany dia nanokatra trano fandraisam-peo (studio). Tsy vitan'izany fa nanorina sekoly fianarana mozika ihany koa ny tenany.
Tsy nahafoy an'i Madagasikara i Roland Raelison na dia nila ravin'ahitra tany ivelany aza. Mandray anjara amina fampisehoana mihitsy ny tenany isaky ny mody an-tanindrazana.
Mpanakanto tsara mpandimby
Ny nofon'i Roland Raelison no ho levona, fa ny asany kosa tsy ho adino. Mbola manohy ny kantony hatrany mantsy ny zafikeliny, Faniry Raelison, izay handray anjara amin'ny kaonseritra "Hikalo kanton'i Bessa sy Lola" amin'ny volana may ho avy io. Nomeny nohirain'i Faniry avokoa moa ireo hirany, ka io mpanakanto vehivavy tanora io no tena fantatr'ireo tanora maitsovolo eto Madagasikara. Fony tafaraka izy mianaka, miteny piano i Roland Raelison ary mihira kosa i Faniry Raelison.