Harena azo tamin’ny kolikoly : Mitentina 100 miliara Ar no nogiazan’ny BIANCO ho an’ity taona 2025 ity
Maro ny ezaka vitan’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny nambaran’ny tale jeneralin'ny Birao Mahaleotena Iadiana amin'ny Kolikoly (BIANCO), androany teny Ampefiloha. Notsiahiviny, nandritra izany, ireo vokatra azo, hatramin’ny fiandohan’ity taona 2025 ity.
Ezaka ho an’ny ady amin’ny kolikoly
Raha ny nambaran-dRazakamanantsoa Gaby Nestor, tale jeneralin’ny BIANCO, dia mitentina 100 miliara Ar ny entana, na fananana, na vola nogiazan’ity rafitra ity, teo anelanelan’ny volana janoary hatramin’ny volana aprily 2025, raha toa ka nitentina 23 miliara ariary ny fitambaran’izany, ho an’ny taona 2024 manontolo. Izany no manaporofo, hoy izy, fa manao ezaka betsaka i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly. Namafisiny fa laharam-pahamehan’ny Fitondram-panajakana rahateo izany.
Notsiahivin’ny tale jeneralin'ny BIANCO fa nahatratra 2 688 isa ny fitarainana voaray hatreto, ka miisa 2 200 amin’ireo no efa voakirakira. Maherin’ny 900 isa kosa no nahavitana fanadihadiana ary miisa 598 no nalefa teny anivon’ny fitsarana mba hampiharana lalàna. Manodidina ny 180 tamin’ireo voarohirohy no efa nampidirina am-ponja vonjimaika. Izany, dia ankoatra ireo harena azo tamin’ny kolikoly mitentina 100 miliara Ar izay naverina tamin’ny Fanjakana.
Fahitsiana sy fahamarinana
Azo lazaina ho fitaratra amin’ny ady amin’ny kolikoly i Madagasikara, eo anatrehan’ireo firenena hafa, hoy hatrany Razakamanantsoa Gaby Nestor. Eo amin’ny lafiny fanabeazana, izay teboka iray ao anatin'ny ady amin’ny kolikoly, ohatra, dia isika no manana tanora betsaka, mahatratra 9 400 isa, mpikambana ao anatin’ny tambajotra mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana (Réseau d’Honnêteté et d’Intégrité), araka ny fanazavany. Ankoatra izay dia efa nampidirina ao anatin’ny fandaharam-pampianarana eto Madagasikara ny momba ny ady amin’ny kolikoly, ary misy amin’ireo firenena hafa no mianatra izany fomba fanao tsara izany amintsika, araka ny nambarany.
Nomarihina androany 13 jona 2025, teny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha, ny andiany faha-13 amin’ny andro ho an’ny tambajotra mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana. Tafiditra indrindra ao anatin’ny anjara andraikitra fanabeazana sahanin’ny BIANCO, ho fanentanana sy fampahafantarana ny momba ny ady amin’ny kolikoly amin’ireo tanora, izao hetsika izao.