Famerenana an-tsekoly ireo ankizy niala an-daharana : Manohana ny Foibe Manjary soa ny Axian
Manolotra fampitaovana « kits scolaires » maherin’ny 1200 isa ho an’ireo mpianatra marefo manerana n’i Madagasikara ny Fondation Axian, amin’ity taom-pianarana ity. Isan’ny nisitraka izany tohana izany androany 15 septambra 2025, ireo ankizy sy tanora beazina eny amin’ny Foibe Manjary Soa 67 Ha.
Ady amin’ny fampiasana ankizy
Ivon-toerana eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Asa, ny fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, ny Foibe Manjary Soa. Asa goavana sahaniny ny fampidirana an-tsekoly ireo zaza mbola tsy nandia ny varavaram-pianarana mihitsy, noho ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreniny, sy ny famerenana indray an-tsekoly ireo ankizy niala an-daharana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asan’ny ministera, momba ny ady amin’ny fampiasana ny ankizy tsy ampy taona, ny Foibe Manjary Soa, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Asa, ny fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Amin’izao fotoana izao dia ankizy miisa 50 no raisin’ity ivon-toerana ity an-tanana, izay ankizy monina eny 67 Ha sy ny manodidina, nirenireny fotsiny na nanao asa an-tselika madinika. Niarahan’ny ministera niasa tamin’ny Fokontany ny fifantenana azy ireo hisitraka ny fanabeazana omen’ny Foibe Manjary Soa.
Ny 25 amin’ireo dia ankizy tokony hianatra, saingy niala an-daharana na mbola tsy nalatsaka an-tsekoly mihitsy. Misitraka fanabeazana izy ireo, mba hahafahana manomana ny fidirany na ny fiverenany an-tsekoly indray. Raha efa izany dia ampidirina amin’ny sekolim-panjakana eny 67 Ha sy ny manodidina izy ireo, mba hanohy ny fianarany. Ny 25 kosa, izay efa 15 taona no ho mihoatra, dia misitraka fanofanana arak’asa, izay miompana amin’ny zaitra, ny petakofehy sy ny « crochet ». Tanjona ny hanomanana azy ireo hiatrika ny sehatry ny asa, amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahaiza-manao. Fanirian’ny ivon-toerana ny hampiofana ireo tanora ireo momba ny fampiasana « machine industrielle », hoy rtoa minisitra. Mbola eo an-dalam-piresahana amin’ireo orinasa afak’haba afaka manolotra izany fitaovana izany, hahafahana mampiofana ireo tanora, ny ministera ankehitriny.
Manohana ara-tsakafo ny Fondation Axian
Ho an’ny androany dia fampitaovana ireo mpianatra, amin’izao fanombohana ny taom-pianarana izao, no natolotra ireo ankizy sy ny tanora. Nandray anjara tamin’izany ny Fondation Axian sy ny ministeran’ny Asa, ny fampananana Asa ary ny Asam-panjakana. Kitapo, fitaovam-pianarana isan-karazany, aron’akanjo… Ireo no natolotra ho azy ireo. Etsy an-daniny, ny fondation Axian manokana, nanomboka tamin’ny taona lasa, dia manohana ara-tsakafo ireo ankizy, amin’ny alalan’ny sakafo antoandro sy ny ody am-bavafo. « Rehefa tsy misy sakafo ety amin’ny « centre » dia tsy tonga mianatra ireo ankizy, ary lasa miverina amin’ny fahazaran-dratsiny mihitsy aza », hoy ny fanazavan’ny minisitra. Nanao antso avo tamin’ireo malala-tanana izay afaka hifanohana aminy, noho izany, ny ministera, ka isan’ny namaly ny antso ny Fondation Axian.
Foibe Manjary Soa any Toamasina
Raha ny faniriana, hoy hatrany ny minisitra, dia hisy Foibe Manjary Soa daholo any amin’ny Faritra rehetra manerana an’i Madagasikara, saingy tsy mbola maharaka izany aloha ny enti-manan’ny ministera. Hisokatra atsy ho atsy kosa ny Foibe Manjary Soa ao Toamasina, Faritra Atsinanana. Efa misy toerana azo amboarina ho lasa ivon-toerana handray ireo ankizy sy tanora, eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny ministeran’ny Asa, ny fampananana Asa ary ny Asam-panjakana, ao an-drenivohitra Betsimisaraka. Ny Fondation Axian no hiandraikitra ny fanamboarana izany, araka ny fanazavan’i Jessica Razakamanantsoa, solontenan’ny orinasa Axian. Amin’ity taona ity no hatomboka ny fametrahana io Foibe Manjarisoa vaovao io. « Ao anatin’ny tanjon’ny Axian ny hisitrahan’ny ankizy sy ny tanora fanabeazana tsara kalitao. Ny fanomezana fampitaovana ny ankizy sy ny fanohanana ireo ivon-toerana tahaka ny Foibe Manjary Soa dia tsy nataonay ho famaliana ny filàna maika fotsiny, fa fandraisanay anjara amin’ny fanorenana hoavy lovain-jafy ho an’ny ankizy malagasy », hoy hatrany izy.
Nisy ihany koa moa androany, teny 67 Ha, ny fanomezana mari-pahaizana ho an’ireo ankizy niofana teo anivon’ny Foibe Manjary Soa.