Teknolojia amin’ny fiarovana ny tontolo iainana : Niofana momba ny SIG sy ny SMART Mobile ny ao Menabe
Hanamafisana sy hanatsarana kokoa ny fiarovana ny ala honko, ny ala maina ary ny harena an-dranomasina, ao amin’ny faritra Menabe, dia nisitraka fiofanana momba ny fitaovana roa maoderina ny mpisehatra teny ifotony : ny QGIS sy ny SMART Mobile.
Fitaovana maoderina hanamafisana ny asa fiarovana
Ny SIG na Système d’Information Géographique dia fitaovana ahafahana manangona, mitahiry, manadihady ary mampiseho angon-drakitra ara-jeografia amin’ny fomba mora azo. Marihina fa efa ampiasaina maneran-tany izy io ary afaka mandika angona avy amin’ny GPS, sary an’habakabaka, drôna, sy ny maro hafa ho lasa sary na hevitra mora takarina.
Etsy andaniny, ny SMART Mobile dia manamora ny fitantanana ny tatitry ny fisafoana, ny fakàna refin’ny toerana iray amin’ny alalan’ny GPS, ny fandraisana an-tsoratra ny zava-misy eny an-kianja ary ny fanaraha-maso ny zava-manan’aina. Ireo angona ireo dia azo atambatra amin’ny QGIS mba hamoaka fanadihadiana lalina kokoa, ahafahana manolotra sarintany sy tatitra feno. Araka izany, mifameno ireto fitaovana teknolojika vaovao ireto, entina hanamorana ny asan’ny mpiaro ny tontolo iainana.
Fiofanana sy fampiharina mivantana
Tao Morondava no natao ny fiofanana nandritra ny efatra andro tamin’ny volana aogositra lasa teo. Ny WWF miaraka amin’ny FIVOI, ny DREDD Menabe ary ny DRPEB moa no manatanteraka izany. Nahafahana nandray fahalalana ara-teoria sy nahafahana nampihatra avy hatrany izany. Isan’ny hita tamin’izany ny fomba fampiasana QGIS amin’ny tranga tena misy, ny fampiasana ny SMART Mobile izay miasa na dia tsy misy internet aza, ary ny fitsidihana teny an-kianja ho fanamarinana ny fahaiza-manao.
Ho an’i Tsifosay Faustin, avy ao amin’ny FIVOI Menabe, “zava-dehibe tokoa ny fiofanana satria manampy ahy amin’ny asa famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny fanaraha-maso ny zana-kazo vao nambolena. Afaka mamorona sarintany sy mamaky izany aho manomboka izao, manamarika tsara ireo toerana ilaina fanarenana, ary mizara izany amin’ireo Vondron’Olona Ifotony mpiara-miasa.”
Marihina fa dingana vaovao hanamafisana ny fahaizan’ny mpisehatra eny ifotony, ho fanohizana ny asa fiarovana sy fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary ao Menabe, ity fiofanana ity.