Trangana afo tao amin’ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika : Fandoroana niniana natao
Nitrangana firehetana tany amin’ny valan-javaboaharim-pirenena Ankarafantsika, Faritra Boeny, nanomboka ny harivan’ny alakamisy 11 septambra lasa teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny Madagascar National Parcs (MNP), izay mitantana ity faritra arovana ity, dia efa voafehy ny afo, omaly alahady 14 septambra 2025.
Efa voafehy ny afo
Toerana miisa roa tao anatin’ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika no nirehitra, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny MNP, dia ny tao Maroaboaly sy Mahatazana. Ny andron’ny sabotsy 13 septambra no voafehy tanteraka ny afo tao Mahatazana, fa omaly alahady kosa vao voafehy ny firehetana tao Maroaboaly.
Olona maherin’ny 300 isa no nifandrimbona tamin’ny famonoana ny afo, araka ny fanazavan’ny MNP, izay nahitana ny Fokonolona, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Boeny sy Betsiboka, ny ekipan’ny mpitantana ny valan-javaboahary, ny mpamonjy voina avy any Mahajanga, ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana. Mbola misy moa ny otrikafo, indrindra eny amin’ny sisin’ny faritra arovana, ka mbola mitohy ny fanaraha-maso akaiky. Nisy ny fampitaovana manokana ireo vondron’olona mpamono afo sy mpanara-maso, toy ny “bate feux”, angady, meso be, famaky, “sac à eau”, “citerne”, “drone”, fiara...
Biby sy zava-maniry tsy manam-paharoa
Raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny MNP dia hetsika niniana natao no nahatonga ity firehetana tao amin’ny valan-javaboaharin’Ankarafantsika ity. Noho izany dia hanamafy hatrany ny fiarovana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny. Tamin’ny fotoana nanoratana dia mbola tsy fantatra ny velaran-tany kila sy simba, fa mbola eo am-panatanterahana ny tombana momba izany ireo tomponandraikitra.
Faritra arovana isan’ny tokony hahasaro-piaro ny Malagasy ny valan-javaboaharim-pirenena Ankarafantsika. Mitahiry karazana biby sy zava-maniry tsy manam-paharoa sy ahiana ho lany tamingana izy, raha tsy hitanisa afa-tsy ny varika miisa 8 karazana, ny vorona misy 127 karazana, ny sahona 13 karazana, ny zava-maniry 520 karazana ka tsy hita raha tsy eto Madagasikara ny 352 karazana amin’ireo.