• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamam-bahoaka : Mety ho sakana tsy hisitrahan’ny zaza vaksiny ny tsy fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy

26/10/2026 21:37 © Moov.Mg

Tsy ny tsaho sy ny finoanoam-poana momba ny vaksiny ihany no mahatonga ny ray aman-dreny sasany hisalasala hampanao vaksiny ny zanany. Mety ho sakana lehibe ihany koa ny tsy fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ireo olana ireo no hodinihin’ireo mpanao gazety mandritra ny fiofanana nosokafana tao Antsirabe, ny 26 oktobra 2026.

Ny fahefan’ny lehilahy, mety hanakana ny fanaovam-baksiny

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, androany 26 oktobra 2026, ny fiofanana haharitra dimy andro momba ny vaksiny manoloana ny mahalahy na mahavavy. Mpanao gazety avy eto Antananarivo, Antsirabe ary Fianarantsoa no mandray anjara amin’izany. Ny UNICEF sy ny Studio Sifaka, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ny ONG Vonjy IV, no miara-manatanteraka ny hetsika.

Tsikaritra fa mbola misy sakana maro tsy ahafahana mampiakatra ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara. Anisan’izany ny rafitra ara-tsosialy mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy (genre), izay mety hametra ny fahafahan’ny reny mandray fanapahan-kevitra momba ny fahasalaman’ny zanany. Ao anatin’izany rafitra izany, izay matetika ananan’ny lehilahy fahefana lehibe kokoa amin’ny fanapahan-kevitra ao an-tokantrano, dia mety tsy ho afaka hanapa-kevitra samy irery ny reny, na dia izy aza no miandraikitra ny fitaizana ny zaza. Mety ho ny raim-pianakaviana no manapa-kevitra raha hatao vaksiny ilay zaza na tsia, ary izy ihany koa no mifehy ny vola ilaina amin’ny fandaniana ao an-tokantrano. Vokatr’izany, mety tsy ho afaka hitondra ny zanany any amin’ny tobim-pahasalamana ny reny iray, raha tsy mahazo alalana na vola avy amin’ny vadiny.

Mety hihamafy izany ho an’ireo tovovavy nanambady aloha loatra, indrindra raha miara-mipetraka amin’ny rafozany. Ankoatra ny vadiny, dia mety mbola hisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fitaizana ny zanany ihany koa ny rafozany, anisan’izany ny fanaovam-baksiny.

Ny mpanao gazety, mpiara-miombon’antoka amin’ny fanentanana

Ankoatra ny tsy fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fahazoan’ny olona vaovao sy ny fahafahany manatona tobim-pahasalamana ihany koa ny fahasembanana. Mety tsy hahazo ny hafatra amin’ny peta-drindrina ny olona jamba, tsy handre ny fanazavana ny olona marenina, na ho sahirana amin’ny fidirana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny olona mampiasa seza misy kodiarana. Ireo olana ireo dia isan’ny nodinihin’ny ONG Vonjy IV tamin’ny fanadihadiana momba ireo sakana tsy ahafahana manatratra ny tanjona amin’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara. Isan’ny hojerena, mandritra ny fiofanana, ny fomba ahafahan’ny mpanao gazety mandray anjara amin’ny fanesorana ireo sakana ireo.

Araka ny fanazavan’i Randrianaivoson Hery, talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Vakinankaratra, dia mbola maro ny olona tsy resy lahatra amin’ny fanaovam-baksiny. Manana andraikitra lehibe amin’ny fampitana vaovao marina sy fanitsiana ireo hevi-diso miparitaka ny mpanao gazety.

Tanjona ny hahavita vaksiny ny 90%-n’ny ankizy eto Madagasikara

Ho an’ny UNICEF, ny vaksiny dia isan’ny fomba lehibe hiarovana ny zon’ny ankizy sy hanampiana azy ireo hitombo ara-pahasalamana. Nambaran’i Ralaiarijaona Lalaina, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny UNICEF Madagascar, fa tanjona napetraka ao anatin’ny drafitrasa 2024–2028 ny hahavita vaksiny ny 90%-n’ny ankizy eto Madagasikara. Lalana iray hahafahana manatratra ny tanjona ny fanomezana fahalalana ho an’ireo mpanao gazety misehatra eo amin’ny fahasalamana, mba hahafahan’izy ireo manatsara kokoa ny fampitam-baovaony.
Amin’ity indray mitoraka ity dia ny fanadihadiana nataon’ny ONG Vonjy IV no fototry ny fifampizarana traikefa mandritra ny fiofanana. Kendrena ny hanampy ireo mpanao gazety hamantatra ireo olana sedrain’ny fianakaviana sy hampita hafatra mifanaraka amin’ny zava-misy iainan’izy ireo, mba hanohanana ny ezaka fampiakarana ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara, hoy ny fanazavan-dRatovondrahona Harison, tale mpanatanteraky ny Studio Sifaka, izay mpiara-miombona antoka amin’ny fanofanana.
Marihina fa eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izao fampiofanana izao. Ny UNICEF kosa no mamatsy vola izany.

Lire la suite

Articles Similaires