• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prrm
Image
Vaovao

Fikaonandoham-pirenen’ny Polisim-pirenena : nahafahana namoaka soso-kevitra miisa 611

26/10/2026 20:46 © Moov.Mg

Soso-kevitra miisa 611, voarakitra anaty tatitra misy pejy 2 235, no nivoaka nandritra ny Fikaonandoham-pirenen’ny Polisim-pirenena, izay nofaranana tamin’ny fomba ofisialy androany 26 oktobra 2026, teny amin’ny Mining Business Center Ivato. Tanjona ny hanavaozana ny rafitra sy hanatsarana ny fomba fiasan’ny Polisim-pirenena, mba hamaliana kokoa ny hetahetan’ny vahoaka.

Mpandray anjara mihoatra ny 3 500

Mpandray anjara mihoatra ny 3 500, niasa tao anatin’ny vaomiera miisa 192 nanerana ny faritra 23, no nandray anjara tamin’ny fanangonana sy fandinihana ireo hevitra, nandritra ity Fikaonandoham-pirenen’ny Polisim-pirenena ity. Anisan’ny tanjona napetraka ny hanakaikezana kokoa ny vahoaka, ny hanatsarana ny fandraisana sy fikarakarana ny fitarainana ary hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Kendrena amin’izany ny hahafahan’ny Polisim-pirenena manome tolotra matihanina kokoa sy miatrika ireo endrika tsy fandriam-pahalemana izay tsy mitsahatra mivoatra.

Nandritra ny fanolorana ny tatitra dia nanamafy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur général de police Erick Michel, fa ilaina ny fanavaozana ifotony mba hanovana ny rafitra sy ny fomba fiasan’ny Polisim-pirenena.

Fanamby ny fampiharana ireo soso-kevitra

Nanatrika ity lanonam-pamaranana ity ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Michaël Randrianirina. Notsindriany fa tsy tokony hijanona ho antontan-taratasy fotsiny ireo fehin-kevitra, fa tsy maintsy avadika ho asa mivaingana. Nohamafisiny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana, ny finiavana ary ny fanajana ny lalàna eo amin’ireo mpitandro filaminana. Nasongadiny manokana ny tokony hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana, ary ny fampiasana ny teknolojia vaovao hanavaozana ny rafitra. Nambarany fa vonona hanohana ny fanatanterahana ireo soso-kevitra ntolotra ny fitondram-panjakana.
Amin’izao fanomanana ny fifidianana izao, nanamafy ny Filohan’ny Fanavaozana fa ilaina ny fahavononan’ny Polisim-pirenena hiantoka ny filaminana sy ny fahaleovantenan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Hisy moa ny tombana tsy tapaka hanaraha-maso ny fampiharana ireo soso-kevitra. Ny fanamby dia ny hahatonga ireo fehin-kevitra 611 ho fanatsarana azo tsapain-tanana eo amin’ny asan’ny Polisim-pirenena sy ny fifandraisany amin’ny vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires