Salon de l'étudiant 2025 : Mbola manome lanja ny Oniversitem-panjakana ny mpianatra Malagasy
Na dia eo aza ny fitokonana isan-karazany sy ny fahanteran'ny foto-drafitr'asa, tsy mahasakana ny tanora Malagasy hanantona ireo Oniversitem-panjakana izany. Omaly 11 septambra sy androany 12 septambra, tanora vao nahazo ny mari-pahaizana bakalorea an'aliny maro no nanotrona ny Salon de l'étudiant 2025, teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo.
Fampahafantarana ireo sampam-pianarana rehetra
Maherin'ny 70 ireo tranoheva azo notsidihana. Saika nandray anjara avokoa ireo Fakiolte rehetra teny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo. Anisan'ireo nampiranty ihany koa ny CNTEMAD, ny ny Oniversiten'i Vakinankaratra sy ny Oniversiten'Itasy. Samy nanomana taratasy na bokikely mirakitra toro maromaro ireo mpampiranty, entina hanampiana ireo mpianatra. Efa saika manomboka mantsy ny fisoratana anarana amin'ireo fifaninanana hidirana taona voalohany, indrindra ho an'ny eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo. Ilaina araka izany ny fandraisana fanapahan-kevitra farak'izay haingana mba hahafahana manomana ny fanadinana, satria voafetra ny isan'ireo mpianatra raisina. Ho an'ny eo anivon'ny serasera ohatra, maherin'ny 2 000 ireo mpiadina isan-taona, nefa eo ho eo amin'ny 150 ihany no tafiditra taona voalohany. Tsara nefa ny manamarika fa tsy ny Fakiolte na Sampam-pampianarana rehetra no mikarakara fifaninanana. Misy ireo manatanteraka "sélection de dossiers" hifantenana ireo mpianatra nahazo naoty tsara tamin'ny Bakalorea.
Natao hanampiana ireo mpianatra ny anton'ny hetsika, satria iankinan'ny hoavy manontolo ny safidy atao amin'ny fianarana ambony. "Marobe ireo mpianatra mitety ny stands rehetra sady mangataka fanazavana hatrany. Vitsy ireo tena efa manana hevi-draikitra ny amin'ny Filière ataony na dia eo aza ny torohevitr'ireo ray aman-dreny sy ny namana", hoy ny tompon'andraikitra iray.
Fanomezan-danja ny Diplaomam-panjakana
Hatreto aloha, manan-danja kokoa ny "diplaoma Fitomboka mena" na efa marobe aza ireo Oniversite tsy miankina matanjaka. Na dia misy tsy fahatomombanana isan-karazany aza eny amin'ireo Oniversitem-panjakana, tsy mena mitaha ny fahalalan'ny mpianatra sy ny lentan'ny diplaoma atolony. Efa misy rahateo ny ezaka tanterahin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ireo Oniversite tsirairay, na amin'ny kalitaon'ny fampianarana, na amin'ny fanamboarana sy fanavaozana fotodrafitr'asa, indrindra amin'ny fandoavana ny tambin-karaman'ireo mpampianatra sy ny vatsim-pianaran'ireo mpianatra.
Ny ankamaroan'ireo mpianatra vao afaka bakalorea moa dia mikasa hiatrika "Concours" eny Ankatso na Oniversitem-panjakana amin'ny toerana hafa, ka rehefa tsy afaka vao mitady Oniversite tsy miankina na toeram-panofanana ambony. Tsy vitsy ireo mpiadina miatrika Concours roa na telo mba hampiakatra ny vintana hidirana amin'ny Oniversitem-panjakana.