• Cours de change
  • 5169.96 AR
  • |
  • $4458.53 AR
Copyright Image : © Blue-Ventures-Madagasikara
Image
Vaovao

Atsimo-Andrefana : Niakatra avo roa heny ny vidin’ny horita oharina tamin’ny taona 2024

11/09/2025 11:21 © Moov

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alahady hatramin’ny talata, lasa teo, ny toerana fitehirizana vonjimaika ny ny horita tao Atsimo Andrefana. Fokontany miisa 20 ao avaratr’i Toliara no niaraka nanokatra izany, izay tafiditra ao anatin’ireo LMMA (Aires Marines Gérées Localement) efatra : Velondriake, Sambele, Teariake Conservation ary Manjaboake.

Fandraisana anjara ifotony

Ity hetsika ity dia natao indrindra hanamafisana ny fandraisan’anjara mivantana avy amin’ny vondrom-piarahamonina manamorona ny ranomasina amin’ny fitantanana lovain-jafy ny harena voajanahary. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpanjono miisa 15 814, izay ahitana vehivavy 8 447 sy lehilahy 7 367. Vokatra azo avy hatrany taorian’ny fanokafana ny tahiry ny horita milanja 14 530 kilao, izay nalaina avy amin’ny faritra manodidina ny 2 003 hektara.
Nisy ihany koa ny tombony ho an’ireo mpanjono, satria niakatra avo roa heny ny vidin’ny horita raha oharina tamin’ny taona 2024, ka tonga hatrany amin’ny 12 000 Ariary ny kilao. Io fiakarana io dia manamafy fa ny fitantanana araka ny tokony ho izy dia afaka mitondra vokatra ara-toekarena mivaingana ho an’ny mponina.

Fanamby ho an’ny ho avy

Na dia teo aza ny olana toy ny ady amin’ny toerana hahafahana manjono sy ny toetry ny andro tsy voafehy, dia nanaporofo ity hetsika ity fa manan-danja sy vonona amin’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina ny vondrom-piarahamonina. Araka ny nambaran’ireo mpitarika eo an-toerana, ny fandraisana andraikitry ny mponina amin’ny fomba feno no antoka ho an’ny fiarovana ny loharanon-karena sy ny fitohizan’ny sakafo ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.
Ny traikefa azo avy amin’ny LMMA ao atsimo andrefana dia afaka mitondra lesona ho an’ny faritra hafa amin’i Madagasikara. Izany hoe raha misy firaisankina sy fandraisana andraikitra, dia azo antoka ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiveloman’ny harena an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires