Herisetra : Lehilahy frantsay nampanolana zaza malagasy, nosandaina vola
Lehilahy iray tera-tany frantsay, monina sy miasa any Bordeaux, voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizy tsy ampy taona tany Colombie sy teto Madagasikara, no nadoboka am-ponja vonjimaika any Frantsa.
Fanolanana ampitain-davitra
Araka ny fanazavana nomen’ny Fampanoavana ao Parisy tamin’ny gazety Frantsay maromaro, dia voarohirohy ho atidoha nikotrika ny herisetra ara-nofo natao tamin’ny ankizy teto Madagasikara sy tany Colombie ity lehilahy 31 taona ity. Alain’ireo mpanatanteraka ny asa ratsy sarimihetsika izany fanolanana izany, ary mijery izany mivantana ity lehilahy ity no sady mbola manome ny toromarika ny amin’ny fomba tiany hanolanana ireo ankizy.
Fampitam-baovao voarain’ny brigady misahana ny heloka bevava any Gironde Frantsa (DCOS 33), no nohalalinina bebe kokoa ka nitarika ny fanadihadiana momba ity fanararaotaa ara-nofo zaza tsy ampy taona ity. Rehefa nandeha ny famotorana, dia voaporofo ny heloka mamoafady nataony, taorian’ny fitsirihana ny solosaina sy ny fitaovana informatika ananany, ary koa taorian’ny fisavana natao tao an-tranony sy tao amin’ny toeram-piasany. Tratra tamin’izany ny resaka nifanaovany tamin’ny vehivavy malagasy sy kôlômbianina, izay mifampiady varotra momba ny sandan’ny fanolanana zaza.
Herisetra ara-nofo sy famarinana olona
Efa fantatra ny 5 tamin’ireo ankizy niharan’ny herisetra, hita tao anatin’ireo horonan-tsary maherin’ny 30 isa tratra. Zaza mbola latsaky ny 10 taona ny telo tamin’izy ireo ary eo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 15 taona ny roa. Heverina fa efa maherin’ny telo taona no nisian’izao tranga izao
Araka ny fantatra dia firaisana tsikombakomba amin’ny fanolanana sy herisetra ara-nofo amin’ny zaza tsy ampy taona ; firaisana tsikombakomba avo lenta amin’ny famarinana olona ; fividianana, fitanana ary fitahirizana sary mamoafadin’ankizy, ireo no heloka iampangana ity lehilahy ity. Tombanana ho maherin’ny 10.000 euros ny vola nomeny ho tambin’ireo horonantsary mamoafady sy feno herisetra maha-tompon’antoka azy. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo no nadoboka am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity. Sazy 20 taona an-tranomaizina no mety miandry azy, amin’izao heloka bevava vitany izao.