Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Hiasa amina faritra efatra ny FAO hanampy ireo mpanjono madinika
Isan’ny mandray anjara amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ny vokatry ny ranomasina sy ny ranomamy. Hiara-hiasa ny Tahirimbolan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny fambolena (FAO) sy ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga (MPEB), entina hanatsarana ny sehatry ny jono madinika mba hahafahana manamafy ny fanatratrana io tanjona io.
Hanampy olona hatramin’ny 1 500 000
Araka ny antontan’isa, 97% amin’ny vokatra jono vokarina eto Madagasikara dia avy amin’ny jono madinika. Sehatra iankinan’ny fahaveloman’ny olona manodidina ny 1 500 000 izy io, ka eo amin’ny 150 000 ireo mpanjono mivantana miasa ao anatiny. Noho izany, hamafisina ny fanatsarana ity sehatra ity amin’ny alalan’ny tetikasa vaovao iarahana amin’ny FAO, izay mikendry indrindra ny hanatsara ny fanjarian-tsakafon’ireo mpanjono madinika. Hatao indrindra izany, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fanodinana sakafo na ny « transformation agricole ». Ity farany ity izay laharam-pahamehana eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa ny hanodinana ny hazan-drano, ho ampiasain’izy ireo rehefa fotoan’ny tsy fisiana sy ho jifain’ireo olona hafa ihany koa. Faritra efatra eto Madagasikara no hametrahan’ny FAO ny tetikasa dia ny faritra Atsimo Andrefana, Boeny, Androy ary Alaotra Mangoro.
Ity tetikasa vaovao ity dia hifantoka amin’ny fanomezana vahaolana maharitra, ahafahan’ny mpanjono miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro sy ireo sakana samihafa mananontanona ny sehatra. Kendrena ihany koa ny hanamafisana ny fahaizan’izy ireo amin’ny fitantanana loharanon-karena, sy ny hanomezana lanja ny asa madinika mampivelatra ny toekarena eny ifotony.
Atrikasa tao Toliara
Ho fanomanana ny fametrahana ity tetikasa ity dia natao tany Toliara, Faritra Atsimo Andrefana, ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Paubert, no nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany. Tonga nandray anjara ihany koa ny manampahaizana, ireo solontenan’ny ministera sy ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka.
Ity fiaraha-miasa ity moa dia mariky ny finiavana hanome vahaolana hentitra sy maharitra, hanatsarana ny jono madinika ary indrindra hiantohana ny fanjarian-tsakafo ho lovain-jafy ho an’ny taranaka.