• Cours de change
  • 5169.6 AR
  • |
  • $4456.32 AR
Copyright Image : © Divers
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 8 hatramin'ny 14 septambra 2025

15/09/2025 09:35 © Moov

Atolotra anao ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 8 hatramin'ny alahady 14 septambra 2025

Kolontsaina # Tafapetraka amin'ny toerany ireo karandoha miisa 3

Tontosa soa aman-tsara ireo fombafomba mifanaraka amin'ny famerenan-kasina ny Ampanjaka Andriamilafikarivo (Toera) sy ireo miaramilany roa, ny faran'ny herinandro teo. 128 taona taty aoriana izany vao afaka natambatra tamin'ireo vatana ireo karandoha nalefa sesitany tany Frantsa. Ireo fianakaviana akaiky sy olona vitsivitsy ihany no nandia ny faritry ny Zomba tao Ambiky satria marobe ireo fadifady amin'ireo Sakalavan'i Menabe, foko izay mbola mitahiry fomba sy finoana maro. Tsiahivina moa fa tamin'ny fiandohan'ity volana septambra ity no tonga teto Madagasikara ireo Kabeso miisa telo, ka ny talata 2 septambra no nanatanterahana ny fanomezam-boninahitra teny amin'ny Fasan'ny Maherifo Avaratr'Ambohitsaina.

Famatsiana herinaratra # Mitohy ny fitadiavana vahaolana

Ny alakamisy 11 septambra lasa teo, nitarika fivoriana niaraka amin'ireo tompon’andraikitra voakasiky ny tetikasa fametrahana ny tobim-pamokarana herinaratra 105MW ao Ambohimanambola ny Filohan’ny Repoblika, tao amin'ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra. Nanterin'ny Filoha fa laharam-pahamehana ireo asa rehetra mikasika ity tetikasa ity izay hipàka mivantana amin’ny andavanandron'ny vahoaka.
Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra ihany koa tenany hanafaingana ny fanatanterahana ity tetikasa ity sy hanamaivana ny dingana ara-taratasy momba izany. Afaka roa herinandro eo no hanomboka ny fitaterana ireo fitaovana vaventy sy saro-pady ilaina amin’ny fananganana izany tobim-pamokarana herinaratra izany avy ao Toamasina makany Ambohimanambola. Tanjona ny hampitomboana ny famokarana herinaratra eto an-drenivohitra indrindra mialohan'ny vanim-potoana ny main-tany.

Fampianarana # Tontosa ny fanavaozana ny EPP Iavoloha

Notokanana ny alarobia 10 septambra lasa teo ny EPP Manara-penitra Iavoloha. Efa tamin'ny taona 1956 no nisy izany toeram-pampianarana izany, ary izao vao nahazo fotodrafitrasa vaovao tanteraka izao indray. Mahazaka mpianatra hatramin’ny 600 ity sekoly ity ary toy ireo sekoly manara-penitra manerana ny Nosy dia ahitana ireo fitaovam-pianarana ara-haitao ara-kajy mirindra toy ny "tableau interactif" sy ireo "tablettes numériques" ary eo ihany koa ireo boky fampianarana vaovao entina hanatsarana ny fanabezana ireo ankizy.
Sekoly manara-penitra 12 izay ahitana efitrano fianarana 12 hatramin’ny 24 hatreto no efa notokanan’ny Filoha Andry Rajoelina ary mbola misy ihany koa ireo an-dalam-panorenena. Ankoatra izay dia efitrano fianarana mahatra 8.019 no efa naorin’ny fitondram-panjakana manerana an’i Madagasikara, izay nahafahana nampiditra an-tsekoly mpianatra miisa 200.000.

Fampirantiana # Fahombiazana ny Vitrine du Vakinankaratra 2025

Tontosa ny 11 hatramin'ny 13 septambra lasa teo ny Vitrine du Vakinankaratra andiany faha-27. Mpandraharaha malagasy maro no nandray anjara, ka nanodidina ny 340 ireo tranoheva fampirantiana. Marobe ireo vokatra hita tao : asa tanana, sakafo, vokatry ny fiompiana sy fambolena, jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro, sns. Ny lohahevitra noraisina tamin’ity hetsika ity dia ny hoe: "La croissance des Entreprises, conditions essentielles pour un développement intégré et durable de la région." 3 andro no nahafahan'ireo mponin'Antsirabe vokatra azo antoka isan-karazany tamin'ny vidiny mirary. Ny ankamaroan'ireo mpampiranty mantsy dia saika nanolotra fihenam-bidy avokoa.

Baolina kitra # Manomboka ny fanamboarana ny kianjan'ny CFFA Andoharanofotsy

Noho ny fivoarana lehiben'ny baolina kitra eto Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, mendrika tohanana tokoa ireo mpilalao sy ireo tompon'andraikitra voakasika. Noho izany indrindra, ny alarobia 10 septambra lasa teo no natomboka ny asa fanamboarana ireo "gradins" sy "tribunes" ho an'ny kianjan'ny kaominina Andoharanofotsy sy ny club Centre de formation de football d’Andoharanofotsy na CFFA. Ny fisian'ny fotodrafitrasa tahaka izao dia hahafahan'ireo tanora malagasy mizatra tena mba hamiratra amin’ny taranja misy azy toy ny baolina kitra. Efa hita taratra izany teo anivon’ny kianjan'ny CFFA izay nampisongadina ireo mpilalao voafantina nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea tamin'ny CHAN farany teo.

Baskety N1A # Norombahin'ny COSPN sokajy lehilahy indray ny amboara

Tontosa omaly alahady 14 septambra ny lalao famaranana ny fifaninanana baskety N1A, teny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina. Ny ekipan’ny GNBC na ny Gendarmerie Nationale Basketball Club no nifanandrina tamin’ny COSPN tamin'ny lalao famaranana ka nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 67 noho 56 ny ekipan’ny Polisimpirenena. Niady tokoa ny lalao satria samy nanome ny tsara indrindra ny ekipa roa tonta. Faninefany amin’izao no nibata ny anaram-boninahitra amin’ny maha tompon-dakan’i Madagasikara azy ny COSPN basketball. Reharehan'ny Polisimpirenena manerana ny Nosy izao fandresena goavana izao.

Kanto # Misolo tena an'i Madagasikara any Rosia i Denise sy D-Lain

Efa tongasoa any Rosia i Denise sy D-Lain hiatrika ny « Intervision 2025 », fifaninanan-kira iraisam-pirenena goavana. Ilay hira " Tiako hanjeky " no nahavoafantina azy mianadahy hisolotena an'i Madagasikara amin'izao fifaninanana lehibe izao. Mbola eo am-piandrasana ny fandaminan'ireo tompon'andraikitra izy mianadahy, hampahafantarana ireo mpankafy raha hisy ny "vote du public" na tsia. Tsara ny manamarika fa anisan'ireo Mpitsara amin'izany lalao izany ny mpanakanto Mamy Gotso. Amin'ny sabotsy 20 septambra ho avy izao moa ny lanonana.

Lire la suite

Articles Similaires