Papa Léon XIV : Mankalaza ny faha-70 taonany
14 septambra 1955 - 14 septambra 2025. Feno 70 taona androany ny Papa Léon XIV. Filohan'ny Eglizy Katolika manerantany sady Filoham-panjakana ao Vatican.
Fifaliana lehibe ny andro androany noho ny tsingerintaona nahaterahan'ny Papa Ray Masina Léon XIV. Feno 70 katroka ny tenany. Anisan'ireo Papa tanora indrindra izy satria 69 taona no voafidy ho Papa. Tsiahivina fa ny Papa François, izay nodimbiasany, dia 76 taona vao voafidy ho Papa : 88 taona ny tenany no nodimandry, taorian'ny fitondrana ny Eglizy Katolika nandritra ny 12 taona.
Mikasika ny Papa Léon XIV
Robert Francis Prevost no tena anaran'ny Papa Léon XIV. Teraka tao Chicago, Etazonia, tamin’ny 14 septambra 1955 izy. Zanak’i Louis Marius Prevost (Franco-italien) sy Mildred Martínez (Espaniola) ny tenany. Manana rahalahy roa moa izy, izay antsoina hoe Louis Martín sy John Joseph.
Mivelona ho an'ny hafa
Anisan'ny nanamarika ny volana vitsy nnandimbiasan'ny Papa Léon XIV an'i Masindahy Piera eo amin'ny Fiketrahana Masina ny fiombonana sy ny fivelomana ho an'ny hafa. Saika mitovy fomba fiaina amin'ny Papa François ny tenany ka tsy manangona zavatra ho azy mihitsy. Ny 3 septambra lasa teo ohatra, notoloran'ny BMW Motorrad Deutschland "Jesus Biker" kodiarandroa BMW R 18 Transcontinental ny tenany, saingy namidy izany ka nanaovana asa soa ny vola azo. Anisan'ireo hahazo tombontsoa mivantana amin'izany ireo ankizy sahirana eto Madagasikara.
Tafiditra ao anatin'ny fampianarany ihany koa ny fiharetana fahoriana vetivety. Manoloana ny ady, ny hanoanana sy ny olana isan-karazany eto amin'izao tontolo izao, mampitsiry fanantenana any am-pon'ny rehetra ny Papa Léon XIV ny amin'ny hisian'ny maraim-baovao. Tsy mampisalasala ny Papa moa ny miaro ireo kamboty, ireo mahantra ary mpifindra monina. Vao tsy ela akory izay no nihaona tamin'ny filohan'i Israely Isaac Herzog ny tenany, nentina nitadiavana marimaritra iraisana amin'ny fanatsaharana ny ady any Gaza.