• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Tsifanjariantsakafo : Vehivavy bevohoka any amin’ny Faritra miisa 7 no hahazo tohana avy amin’ny MBRGI

13/06/2025 16:05 © Moov.Mg

Nahazo tohana avy amin’ny Fondation Mohamed bin Rashid Global Initiatives (MBRGI) ny « Drafitra Fanamafisana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo sy ny anemia mandritra ny fitondrana vohoka » eto Madagasikara. Vehivavy maro any amin’ny Faritra miisa 7 eto Madagasikara no hahazo tombontsoa amin’izany.

Fahasalaman’ny vehivavy bevohoka

Manan-danja lehibe ho an’ny fahasalamana sy ny toe-piain’ny vehivavy sy ny ankizivavy ny fanjariantsakafo. Rehefa ara-dalàna ny sakafon’ny vehivavy, dia mizotra ara-dalàna kokoa ny fitondrana vohoka. Miantoka ny fahavelomana, ny fitomboana ary ny fivelaran’ny zaza ateraka ihany koa ny fahatomombanan’ny sakafon’ny renim-pianakaviana, ary misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny zanaka iray manontolo mihitsy. Rehefa tsy ampy ny singa ilain’ny vatan’ny vehivavy, mialoha ny vohoka, mandritra ny vohoka sy mandritra ny fotoana hampinonoan’ny reny, dia mety hiteraka fahatarana ara-tsaina eo amin’ny zaza ary mety hitarika hatramin’ny fahafatesana mihitsy izany, araka ny nambaran’ny AlignMNH, izay fiaraha-miasa maneran-tany ho fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka ary ho fisorohana ny fahafatesan’ny zaza ao am-bohoka

Fanampin-tsakafo misy otrikaina

Zava-dehibe ny fanohanana ara-bola homen’ny Fondation Mohamed bin Rashid Global Initiatives (MBRGI) ho an’ity « Drafitra Fanamafisana ny ady amin’ny tsifanjarian-tsakafo sy ny anemia mandritra ny fitondrana vohoka » ity, araka ny fampitam-baovaon’ny UNICEF. Noho ity tohana ity, dia vehivavy bevohoka maro, avy amin’ny Faritra Androy, Anosy, Atsimo-Andrefana, Fitovinany, Ihorombe, Itasy ary Vatovavy no ho afaka hisitraka fitsaboana ara-tsakafo, toy ny fanampin-tsakafo misy otrikaina maromaro (MMS). Izany MMS (Micronutrients Multiple Supplement) izany dia fanampin-tsakafo nokendrena manokana hameno ny filàna ara-otrikaina eo amin’ireo reny bevohoka sy ny zaza ao an-kibony, hahafahana misoroka ny fahaterahana tsy tonga volana, ny tsy fahampian-danjan’ny zaza vao teraka, ny fahafahan-jaza, na ihany koa ny fahafatesan’ny zaza eo am-pahaterahana. Manampy amin’ny fisorohana ny anemia, na ny tsy fahampian-dra izay mety hahafaty ny reny ihany koa ity fanampi-tsakafo ity.

Araka izany, dingana lehibe ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza malagasy, izao fanohanan’ny MBRGI izao.

Lire la suite

Articles Similaires