• Cours de change
  • 5191.45 AR
  • |
  • $5191.45 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

Volam-panjakana : Mila ampiakarina ny teti-bola ho an’ireo sehatra mahakasika ny ankizy

02/07/2025 12:37 © Moov.Mg

Mbola mila manao ezaka ny Fanjakana malagasy amin’ny fampiakarana ny teti-bola, ho an’ireo sehatra mahakasika mivantana, na an-kolaka, ny ankizy. Manoloana izany dia nanatanteraka atrikasa fifanakalozana ara-teknika, miaraka amin'ireo vaomiera momba ny sehatra sosialy eo anivon'ny Antenimierampirenena ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), nanomboka omaly.

Anjaran’ny ankizy ao anatin’ny teti-bolam-panjakana

Raha ny sehatry ny fahasalamana fotsiny no resahana, izay ahitana ny momba ny fanjariantsakafo sy ny vaksiny, dia mbola tsy tratran’i Madagasikara hatreto ny tanjona, araka izay voasoratra ao anatin’ny fifanarahan’i Abuja (Déclaration d'Abuja sur la santé en Afrique). Voalaza ao anatin’izany fifanarahana nosoniavin’i Madagasikara izany, fa tokony ho ny 15%-n’ny teti-bola nasiônaly no atokana ho an’ny fahasalamana. Tsiahivina fa ny taona 1991 no nankato ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'ny ankizy (CIDE) i Madagasikara, izay manana mponina latsaky ny 18 taona, sokajiana ho ankizy, maherin’ny antsasaky ny mponina. Tokony manana anjara goavana ao anatin’ny teti-bolam-panjakana, araka izany ny ankizy, eo amin’ny sehatra maro.

Fampisitrahana ny zo fototra ho an'ny ankizy

Nandritra ny atrikasa natomboka omaly 1 jolay 2025, ary mitohy androany 2 jolay 2025, eny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, dia lohahevitra maro mahakasika ny tanjon'ny UNICEF sy ny fifandraisan'izany amin'ny andraikitry ny Solombavambahoaka no nodinihina. Ny UNICEF moa dia manohana an’i Madagasikara amin’ny sehatra sosialy, indrindra ny fahasalamana, ny sakafo, ny fanabeazana, ny fiarovana ara-tsosialy, ny fiarovana ny zaza ary ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana. Tanjon’izao fiaraha-miasa eo amin’ny parlemantera sy ny UNICEF izao ny hanaovana adisisika mba hahafahana mampiakatra ny fampiakarana ny teti-bolam-panjakana ho fampisitrahana ny zo fototra ho an'ny ankizy, ny fanaraha-maso ny fampiasana izany teti-bola izany, ny fandaniana lalàna mikasika ny fiarovana ny zon'ny ankizy, ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany any amin’ny Faritra sy ny Distrika misy azy ireo avy, ary ny fivoizana ny mangarahara sy ny tamberin'andraikitra.

Ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Tinoka Roberto sy ny solontenan’ny UNICEF miasa sy monina eto Madagasikara, Christine Jaulmes no nitarika ny atrikasa, omaly. Nandray anjara tamin’izany, omaly tolakandro, ny vaomieran'ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin'ireo Solombavambahoaka hafa. Ny famporisihana amin'ny fanaovana vaksiny sy ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo no nifantohana. Namafisina ny fahavonona hiady amin’ny tsifanjariantsakafo, ka atao amin'ny alalan'ny drafitra sy politika matotra sy maharitra ho amin'ny 5 taona manaraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires