Alaotra Mangoro : Miara-miady amin’ny doro tanety, ala ary zetra ny mpisehatra rehetra
Midina ifotony amin’ireo faritra arovana samihafa ao Alaotra Mangoro, ny ekipan'ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao an-toerana. Tanjon’izany ny hanamafisana ny ady amin’ny doro tanety, ala ary zetra.
Ahitana afo hatrany
Isan’ny toerana iray saika ahitana tebok’afo hatrany i Alaotra Mangoro rehefa mamoaka ny sary maneho ny fisiana afo ny Minisitera foibe. Raha ny sary farany, ny 3 aogositra teo dia tafiditra tao anatin’ireo toerana miisa 1 115 nahitana tebok’afo iny toerana iny. Toy izany ihany koa ny tamin’ny 30 jolay.
Ady mila hataon’ny rehetra ny ady amin’ny fandorana tanety, ala ary zetra. Fananana iombonana ary miantoka fiainan’olona maro be. Saingy iainan’ny tsindry sy fandravana noho izay doro tanety sy ny doro ala izay. Tsy ampy intsony, ohatra, ny hazo mamaly ny filàna isan’andro.
Ankoatra ny Alaotra Mangoro moa dia nahakasika faritra arovana betsaka ny tebok’afo tamin’ireto faritra manaraka ireto : Amoron'i Mania, Analamanga, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Bongolava, Diana, Haute Matsiatra, Ihorombe, Itasy, Melaky, Menabe, Sava, Sofia, Vakinankaratra.
Fiarovana hiaraha-miasa amin’ireo olobe
Nandritra ny dimy andro nanatanterahana ny fidinana ifotony dia toerana miisa telo no nandalovana. Ao anatin’izany i Morarano, ao amin’ny Kaominina Amparihitsokatra ; Mangalahala, ao amin’ny Kaominina Ambandrika ary i Amparihimpony, Kaominina Ambohidava. Mitana anjara toerana lehibe ao anatin’izany hetsika fanentanana izany ny fandraisan’anjaran’ireo Tangalamena, ary ireo Mpitondra fanjakana ao an-toerana.
Natao nandritra izany ny fanentanana mikasika ny ady amin’ny fandorana tanety, ala ary zetra. Naverina notaterina tamin’ireo mponina ihany koa ny vokadratsin’ny fandripahana ireny toerana ireny. Raha ny zetra manokana ohatra dia mety hampihena ny trondro azo alaina ny fandorana azy. Nampahafantarina ihany koa ny lalàna sy sazy mifandraika amin’ny fandorana, ny anjara andraikitry ny tsirairay amin’ny fisorohana. Natao zava-dehibe ihany koa ny famerenana indray ny hasarobidin’ny zetra amin’ny maha harena voajanahary tokana mila arovana azy sy ny fanadiovana ary fanamafisana aro afo amin’ireo toerana nambolena hazo.
Navitrika sy vonona hiara-hiady amin’ny afo ny mponina. Nampanantena izy ireo fa hanampy amin’ny famonoana afo, hanao tatitra ary hitady ireo tompon’antoka amin’ny doro.