• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Tetikasa ODOF : Vonona hifanohana amin’i Madagasikara ny firenena japoney

24/04/2024 15:58 © Moov.Mg

Niompanan’ny dinika nifanaovan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, tamin’ny masoivohon’i Japana eto amintsika, Abe Koji, ny momba ilay tetikasa ODOF (One District One Factory), ho fampiroboroboana ny fandraharaharana eto amintsika.

Nihaona teny Ambohidahy androany ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny masoivohon’i Japana eto Madagasikara. Niresaka indrindra ny momba ny fampiasam-bolan’i Japana eto Madagasikara ny roa tonta, sy ny fomba hanatsarana izany, na eo amin’ny lafin’ny fanondranana mankany Japana izany, na eo amin’ny lafiny fanafarana entana miditra eto amintsika, ary koa ny fampiasam-bolan’ireo orinasa japoney eto Madagasikara. Isan’ny nifantohan’ny dinika ny momba ny fiarovana ny fampiasam-bola sy ny fitazonana hodidina milamina sy mandry fahalemana, mba hahafahana mampiroborobo ny fandraharaharana eto amin’ny Nosy.

Fifanomezan-tanana

Ho an’ny Minisitra Edgard Razafindravahy manokana dia ny momba ny tetikasa ODOF no nisarihany ny sain’Atoa Abe Koji. Novelabelarin’ny Minisitra, tamin’ity diplaomaty japoney ity, ny dingana vitan’i Madagasaikara amin’ny fametrahana ireo Taninketsa Indostrialy, izay Distrika 51 amin’izao fotoana izao no efa nahazo milina fanodinana vokatra eny ifotony, ho lasa vokatra mamaly ny filàn’ny mponina amin’ny fiainany andavanandro. Nivoitra, taorian’izany, fa vonona hanampy ara-teknika ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra ny firenena japoney, amin’ny alalan’ny fanohanana ireo kaoperativa sy ireo tantsaha eny ifotony, ho fampandrosoana maharitra sy mahomby eo amin’ny seha-pihariany avy. Mba hanamarihana izany fifanomezan-tanana izany dia hiara-dia amin’ny Minisitra Edgard Razafindrahy ny avy ao amin’ny masoivoho japoney, hidina eny ifotony hitsidika ireo Taninketsa Indostrialy. Teo am-pamaranana ny dinika dia samy nanome toky ny roa tonta fa samy hanao izay rehetra hahafahana miaro ny tombontsoa iombonana ao anatin’izany tontolon’ny fandraharaharana eeto Madagasikara izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo