• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Fanapoizinana ara-tsakafo : Nakatona ilay toeram-pilanonana teny Ambohimalaza

17/06/2025 16:28 © Moov

Namoaka naoty mikasika ny fanakatonana ilay toerana nandray ny fety nitrangana fanapoizinana ara-tsakafo, eny Ambohimalaza Imerikasinina.

Ny tolakandro teo, niakatra ho 17 ny isan'ireo namoy ny ainy. Noho ny sakafo tamin'ilay fankalazana andro nahaterahana ny sabotsy 14 jona lasa teo izany.

Fanakatonana ilay toeram-pilanonana

Tsy manana fanomezan-dalana asa fandraisam-bahiny sy fampisakafoanana ilay "Espace" eny Ambohimalaza. Miisa 49 rahateo ireo olona narary noho ny fisakafoanana tao an-toerana. Manampy trotraka ihany koa ny loto tao amin'ilay lakozia fikarakarana sakafo. Noho izany rehetra izany, nanapa-kevitra ny Ministeran'ny Fizahantany sy ny asa tanana fa mikatona vonjimaika ny toerana.
Azo antoka fa lakolosy fanairana ireo manatanteraka asa fandraisam-bahiny sy fampisakafoanana tsy nahazoana alalana izao tranga izao. Tokony manana fahazoan-dalana avokoa ireo mpandraharaha rehetra, na dia toeram-pivarotana toa madinidinika aza. Entanina ihany koa ny hanajan'ireo mpikarakara sakafo rehetra ny fahadiovana sy ireo fepetra rehetra fitehirizana sakafo.

Cellule de crise

Ny maraina teo, mbola 12 no isan'ny maty. Tamin'ny 10 ora sy sasany indray, niampy roa ireo namoy ny ainy ka lasa 14 izany ny isan'ireo maty. Mbola mitombo hatrany ny antontan'isa ka lasa 17 ireo nodimandry. Noho izany, natsangana ny "cellule de crise", izay hiandraikitra manokana mikasika ny fanadihadihana mikasika ity raharaha ity. Tanjona ny hahafantarana ny anton'ny loza, ka hahazoana toro mety hanampy ireo mpitsabo amin'ny fitsaboana ireo mbola tsy salama.

Lire la suite

Articles Similaires