• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fahasalamana : Nanangana « coalition » ireo Solombavambahoaka, ho fanatsarana ny fanaovam-baksiny

16/06/2025 19:45 © Moov.Mg

Tafajoro androany 16 jona 2025 ny « Coalition parlementaire sur la vaccination », izay ivondronan’ireo Solombavambahoaka vonona hanatanteraka haitaky eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka, mba hahafahana mahazo famatsiam-bola maharitra ho an’ny vaksiny eto Madagasikara.

Andraikitry ny Solombavambahoaka

Solombavambahoaka maromaro, izay filoham-baomiera na mpikambana ao anatin’ny vaomiera voakasika ao anatin’ny ady ho an’ny fanatsarana ny sehatry ny vaksiny eto Madagasikara, no niara-nanorina ity « Coalition parlementaire sur la vaccination » ity, nandritra ny atrikasa notanterahina teny Ambatofotsy androany, niaraka tamin’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena HINA. Teo aloha dia ireo Solombavambahoaka mpikambana ao anatin’ny vaomieran’ny fahasalamana eny anivon’ny Antenimierampirenena ihany no nanao adisisika, niaraka tamin’ny vovonana HINA, momba izay teti-bola ho an’ny vaksiny izay. Taty aoriana dia nohatevenin’ireo Solombavambahoaka avy amin’ny vaomieran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola izy ireo. Ankehitriny kosa dia nosokafana amin’ireo Solombavambahoaka hafa ity tetikasa miompana amin’ny fanatsarana ny sehatry ny vaksiny ity, ary ireo Solombavambahoaka rehetra mihitsy no iriana mba handray anjara amin’izany, araka ny fanazavan’ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Moramanga, sady filohan’ny vaomieran’ny fahasalamana sy ny fandrindram-piterahana eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Raha tsiahivina dia mbola ny Alliance Gavi no mandoa ny ampahany betsaka amin’ny filàna ara-bola eo amin’ny lafiny vaksiny eto Madagasikara. Araka izany, ny Alliance Gavi no miantoka ny 85% amin'ny famatsiana vaksiny eto amintsika. Ny Fanjakana malagasy kosa no mandoa ny ambiny, izay mitsinjara ho ny 11% avy ao amin'ny teti-bolan'ny ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary ny 4% no avy ao amin'ny teti-bolan'ny ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjon’ny « Coalition parlementaire sur la vaccination » ny hahafahana mifandinika an-databatra boribory amin’ireo eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka, mba hahafahana mamaritra izay anjara tena zakan’ny Fanjakana malagasy, ao anatin’izany teti-bola atokana ho an’ny vaksiny izany.


Copyright Image : © Moov

Lalàna ho fanatsarana ny sehatry ny vaksiny

Isan’ny mpikambana ao anatin’ity « Coalition parlementaire sur la vaccination » ity ny vaomieran'ny lalàna eo anivon'ny Antenimierampirenena, izay ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny Distrikn’i Farafangana, Raby Savatsarah Ain'Harimanga Gabrielle, no filohany. Notsiahiviny, fa efa tamin’ny taona 2016 no nahalanian’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna laharana 2016-058 momba ny fametrahana tahirim-pirenena ho an’ny fanaovam-baksiny teto amintsika. Hatramin’izao anefa dia mbola tsy nivoaka ny didy fampiharana izany, na dia efa nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana aza ny maha-mampifanaraka io lalàna io amin’ny Lalàmpanorenana. Sakana tsy ahafahana tena mametraka ny famatsiam-bola maharitra ho an’ny vaksiny ny tsy fampiharana io lalàna io, hoy ramatoa solombavambahoaka.

Isan’ny antom-pisian’ireo avy eo anivon’ny vaomieran'ny lalàna, araka izany, ny fandinihana ny lafiny lalàna, ao anatin’ny haitaky momba ny vaksiny. Mbola hodinihina miaraka amin’ny vaomieran’ny fahasalamana ny momba io lalàna laharana 2016-058 io, raha toa ka mbola mifanaraka amin’ny zava-misy iainana ankehitriny, hoy rtoa Raby Savatsarah. Hatao ny fanovàna, raha ilaina izany, ary tsy maintsy hiafara amin’ny fitakiana ny didy fampiharana ny lalàna izany, araka ny fanazavany.

Any amin’ny volana ôktôbra 2025 moa no handinihana indray ny volavolan-dàlana lasitra mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) ho an'ny taona 2026, ka mialoha io fotoana io dia efa hisy ireo tolo-kevitra haroson’ny « Coalition parlementaire sur la vaccination », mba hanatsarana ny teti-bolam-panjakana, indrindra ny mahakasika ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara.



Lire la suite

Articles Similaires