Toekarena manga : I Madagasikara sy Indonezia no mitarika ny vovonana maneran-tany momba ny lomotra
Nandritra ny Conférence des Nations unies sur l'Océan, notanterahina tao Nice, France dia tapaka fa i Madagasikara eo anilan’i Indonezia no hitarika ny vovonana maneran-tany momba ny lomotra (algues). Voasafidy manokana ireo firenena ireo noho ny fanaovan’izy ireo ho zava-dehibe ity fihariana ity.
Anaty 10 voalohany amin’ny famokarana lomotra
I Madagasikara sy Indonezia moa raha ny fanazavana dia firenena roa lehibe izay samy manao ny fampivoarana ny fambolena lomotra ho vaindohan-draharaha. Raha ny tatitry ny Conférence des Nations-Unies sur le commerce et le développement (Cnuced) tamin’ity volana jona ity dia samy tafiditra ao anatin’ny 10 voalohany izy ireo amin’ny famokarana lomotra. Eo amin’ny laharana faharoa i Indonezia izay mamokatra 9 200 000 taonina eo ho eo ary laharana fahafolo kosa i Madagasikara, izay mamokatra hatramin’ny 15 800 taonina. Samy manana vina ny hampiakatra hatrany ireo vokatra ireo ny firenena roa tonta.
Amin’izao fotoana izao dia 36,4 tapitrisa taonina isan-taona ny vokatra maneran-tany. Ny 30.000 taonina no avy aty Madagasikara izay mitetina 4 tapitrisa dolara ny vola azo avy amin’izany. Ny tanjona ankehitriny dia ny hampitombo izany ho 300.000 taonina isan-taona, hoy ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga.
Manana tanjona hiraisana
Raha ny fanambaran’ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga, Paubert Mahatante sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny lefitra Indonezianina dia fotoana izao, hahafahana mametraka amin’ny toerany ity rafitra ity. Vonona ireo Firenena roa ireo hitarika ny rehetra, hoy hatrany izy ireo. Nanao fanambarana ihany koa moa ireo firenena hafa toy Frantsa, Cape Vert, Tanzania… fa hanatevim-boho izany rafitra izany.
Mpiantsehatra maro no manampy amin’ny fametrahana izany vovonana maneran-tany izany. Toy ny Global Seaweed Coalition, ny FAO, ny UNIDO, ny IOC/UNESCO, ny UNCTAD, ireo sehatra tsy miankina maro dia mifandrimbona avokoa amintsika. « Mbola olana, izay hiaraha-mamaha ny hatreto ny resaka kalitaon’ny vokatra izay mbola tsy misy fenitra mazava tsara arahana, ny resaka fikarohana momba ny fanodinana ny vokatra, ny resaka lalam-barotra tsaratsara kokoa », hoy hatrany ny fanazavana.