CEPE 2025 : 17 jona, androm-panadinana
Maherin'ny 571 300 ireo ankizy miatrika ny CEPE 2025 manerana an'i Madagasikara. Taranja 7 no atrehin'ny mpiadina rehetra.
Misokatra amin'ny fomba ofisialy androany 17 jona ny fanadinam-panjakana ho an'ny taom-pianarana 2024-2025, ho an'ireo mpianatra manaraka ny rafi-pampianarana Malagasy.
Fanadinana tontolo andro
Iray andro ihany ny fanadinana CEPE. Miverina maraina sy hariva ireo mpanala fanadinana, ka 4 ny taranja atrehina ny maraina : Opération, problème, SVT ary TFM. Ny tapany hariva kosa, 3 ny taranja atrehina, dia ny Malagasy, Français ary Géographie. Araka ny fanambaran'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena, samy hanana ny laza adiny avy ny CISCO, amin'ity fanadinana 2025 ity.
Koa satria mbola misy 9 andro ny fetim-pirenena, heverina fa hivoaka mialoha ny 26 jona ny valim-panadinana.
Fanohanana ireo mpanala fanadinana
Mila filaminan-tsaina tanteraka ireo mpanala fanadinana. Tsara raha miainga aloha any an-tokantrano, mba ho tonga ara-potoana any amin'ny toeram-panadinana. Azo atao tsara ny manatitra sakafo ho an'ny zanaka manala fanadinana, mba hahatsiaro fanohanana tanteraka izy, sady hanana fotoana fotoana hamerenan-desona raha ilaina. Tsy sesehana sokolà na sakafo matsiro loatra akory ny ankizy, mba hisorohana ny aretin-kibo na ny fahasarotan'ny fandevonan-kanina.