• Cours de change
  • 4737.31 AR
  • |
  • $4420.49 AR
Copyright Image : © Chez Rosii
Image
Vaovao

Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Nahazo toby fanarenana ny Distrikan’Amboasary Atsimo

26/04/2024 14:48 © Moov.Mg

Notokanana tamin’ny fomba ôfisialy androany ny fotodrafitrasa fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana any amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo any amin’ny Faritra Anôsy.

Fandraisana an-tanana maimaim-poana

Isan’ireo Distrika miaina ny kere Amboasary Atsimo. Ho fiadiana amin’izany indrindra no antony nananganana ny toby fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana, izay notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany, tao amin’ny renivohitry ny Distrika. Ahitana toeram-pitahirizana sakafo sy masomboly, na « Banque alimentaire », ao amin’ity toerana ity. Ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana no misahana mivantana izany. Ahitana dokotera ihany koa ao, satria misy ivon-toeram-pitsaboana, izay handray an-tanana maimaim-poana ireo reny sy zaza manana olana eo amin’ny lafiny fahasalamana sy tsifanjariantsakafo. Ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka indray no tomponandraikitra amin’izany. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny efitrano fanomezana sakafo ho an’ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo no sady natao hampianarana ireo ray aman-dreny ny momba ny fikarakarana sakafo ara-pahasalamana. Ny Ofisim-pirenena ho an'ny fanjariantsakafo (ONN) kosa no misahana izany.

Tohana ara-tsakafo

Ny fisian’ity ivon-toerana natao hitahirizana sakafo ity dia mamaha ihany koa ny olan’ny famatsiana tohana ara-tsakafo ho an’ireo mponina ao Amboasary Atsimo. Misy tomponandraikitra manodinkodina ny fanampiana ara-tsakafo alefan’ny fitondram-panjakana foibe, hoy ny Filoha, ka tsy tonga any amin’ny vahoaka tena tokony hisitraka azy ny fanampiana. Tsy maintsy hosaziana ireny mpanodinkodina fanampiana ireny, araka ny nambarany. Ankehitriny kosa dia efa akaiky ny toby famatsiana, noho ny fisian’ity fotodrafitrasa vaovao ity. Tao anatin’ny lanonam-pitokanana moa no nanomezana sakafo mafana ho an’ireo zaza tratan’ny tsifanjariantsakafo, nisantarana ny ivon-toerana fanarenana ara-tsakafo. Tokantrano 500 isa ihany koa no nisitraka fanampiana ho an’ny filàna andavanandro : vary 50 kg, voamaina 9kg ary menaka 4l isan-tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo