• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Mps
Image
Vaovao

Fivoriambe CSW69 : Hitondra fanatsarana amin’ny fampanjariana ny zon’ny vehivavy

21/03/2025 12:11 © Moov.Mg

Mifarana androany 21 martsa 2025 ny fivoriambe andiany faha-69 ho an'ny Kaomisiônina misahana ny anjara toeran'ny Vehivavy ao anatin'ny Firenena Mikambana (CSW69), rehefa nanomboka ny 10 martsa 2025. Nanome toky ireo vehivavy parlemantera nandray anjara tamin’ity fivoriambe ity fa hitondra fiovana eo amin’ny tonton’ny vehivavy malagasy ny fifampizarana tany New York ity.

Nanatrika ny CSW69 tany New York ny delegasiônina malagasy, notarihin'ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Razafinjato Aurélie ; ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Farafangana, Raby Gabrielle ; ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Ivohibe, Clarisse Manjary ary ny solon-tenan’ny Réseau des Femmes Francophones, notarihin'ny solombavambahoaka teo aloha sady efa Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fampananan'asa, Toto Raharimalala Marie Lydia. Namoaka tatitra mamintina ny dian’izy ireo ny solombavambahoaka Clarisse Manjary, mialohan’ny hanatanterahan’ireo parlemantera ny tatitra ôfisialy mikasika ity fivoriambe ity.

Fifanarahana iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy

Notsiahiviny fa isan’ny votoatin’ity fihaonana ity ny fanombanana ny zava-bita sy ireo ezaka mbola tokony hataon’ireo firenena isanisany, 30 taona aty aorian’ny nanekena teo anivon’ny Firenena Mikambana ny Fanambaran’i Beijing momba ny zon’ny vehivavy. Nambaran-dramatoa solombavambahoaka fa mbola hanaovan’ireo solontenantsika fandaharana manokana amin'ny hainao aman-jery ity Fanambaran’i Beinjing ity, ary ho entina eny anivon'ny fiarahamonina, mba hiaraha-mandinika amin'ny tanora sy ny vehivavy malagasy eny ifotony. Anisan'ny lohahevitra lehibe nodinihin’ireo Parlemantera ihany koa ny momba ny Fifanarahan’i Maputo, izay fifanarahana iraisam-pirenena ho an'ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, izay mamaritra ireo zo tokony hositrahan’ny vehivavy, eo amin’ny sehatra rehetra. Raha tsiahivina dia nanao sonia ity fifanarahana ity i Madagasikara tamin’ny taona 2004, saingy mbola tsy niroso tamin’ny fankatoavana (ratification). « Hiezaka isika hamaha ny olana tsy ahafahan'i Madagasikara miroso amin'ny lalindalina kokoa », hoy ny solombavambahoaka Clarisse Manjary, ka hatao dinika hifanakalozana sy teny hifampierana amin'ny olom-pirenena rehetra isan-tsokajiny izany.

Fanatsarana ny tontolon’ny vehivavy

Samy namelabelatra ireo dingana vitany sy ny olana sedrainy ireo firenena rehetra nandray anjara tamin’ny CSW69, araka ny tatitra, ka ny ministry ny Mponina sy ny Firaisankina no nitondra ny tenin’ny Fitondrana Malagasy. Nambarany fa efa nanao ezaka ny Fitondram-panjakàna amin'ny fanomezana sehatra ny vehivavy, teo amin'ny fanendrena azy ireo hitazona andraikitra ambony. Porofon’izany ny isan'ny vehivavy mandrafitra ny Governemanta ankehitriny izay efa manodidina ny 40%. Mbola tsy ampy anefa izany raha eo amin'ny tahan'ny olomboafidy toy ny ben'ny tanàna sy ny solombavambahoaka. Any amin’ny firenena sasany dia efa napetraka ho lalàna mihitsy ny fametrahana ny fifandanjan’isan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fitantanana.

Eo amin’ny lafiny sosialy dia notsindrian-drtoa Razafinjato Aurélie ireo asa ataon’ny Fanjakana malagasy amin'ny famporisihana ny zazavavy hiditra an-tsekoly, ary ireo tosika omena ny ray aman-dreny mampiana-janaka. Eo amin’ny lafiny fahasalamana, dia nambarany fa misy tetikasa maro, iarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, entina manatsara ny tontolon’ny fahasalaman’ny vehivavy, toy ny famporisihana ny fampiasana fanabeazana aizana, ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka… Mbola maro anefa ny dingana tokony hatao amin'ny fahafahan'ny vehivavy malagasy mizaka tena sy manana antom-pivelomana.

Nomarihin’ny solombavambahoaka Clarisse Manjary fa fotoana fanararaotra, nifampizarana traikefa sy nitadiavana fiaraha-miasa ihany koa, ity fivoriambe CSW69 ity.

Lire la suite

Articles Similaires