Ady amin'ny famarinana olombelona : Mila mailo hatrany ireo mikasa hiasa any ivelan'i Madagasikara
Tsy vitsy ireo tanora na olon-dehibe liana amin'ny asa any ivelan'i Madagasikara noho ny antony maro samihafa. Ampahatsiahivina ireo vokasika rehetra mba tsy ho mora sodokan'ny tolotr'asa isan-karazany, hisorohana ny famarinana olombelona.
Na dia eo aza ny ezaka marolafy ataon'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, mbola misy hatrany ireo tratran'ny famarinan'olombelona (traite des êtres humains. Raha adika tsotsotra dia ampanantenaina asa iray ilay voakasika, nefa terena hivaro-tena na asa tsy mifanaraka amin'ny nifanarahana. Misy mihitsy ireo tratry ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina, sady tsy mandray karama nefa tsy avela mody rahateo. Noho izany indrindra, manatanteraka fanentanana ny "Bureau National de Lutte contre la Traite des Etres Humains", sampan'asa eo anivon'ny Primatiora.
Ireo dingana tokony arahina
Matetika dia ny karama be raisina isam-bolana no tena ifantohan'ireo maniry hiasa any ivelany. Tsy voatery manana diplaoma ambony tokoa mantsy dia mety mahita asa tsara. Iaraha-mahalala rahateo fa sarotra ny mitady asa eto Madagasikara.
Ireto àry misy teboka maromaro tsara arahina :
-Dingana 1 : Hamarinina eny anivon'ny Ministeran'ny Asa (MTEFOP) ny tolotr'asa sy ny fifanarahana arak'asa (contrat de travail). Jerena izany raha misy tokoa ilay asa, sady ara-dalàna tsara ilay orinasa mpanelanelana (agence) ;
-Dingana 2 : Manantona ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka (MSP) hanaovana "enquête de moralité". Mbola fanamarinana hatrany no anton'izany ;
-Dingana 3 : Manantona ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny (MAE) mameno taratasy antsoina hoe "pré-inscription consulaire". Ambara amin'izany ny fikasana handeha amina firenena iray, ka ampahafantarina ny mikasika ilay asa kasaina atao sy ny fotoana hijanonana any an-toerana.
Rehefa tonga soa aman-tsara any amin'ilay toerana hiasana dia tsy tokony hadino mihitsy ny manantona ny Masoivohon'i Madagasikara any an-toerana.
Taratasy ara-dalàna
Tokony ho ara-dalàna avokoa ireo taratasy ilaina amin'ny fivahinianana any amin'ny tany iasana vao miainga eto Madagasikara. "VISA Travailleur" no alaina amin'izany fa tsy "VISA Touristique". Tsy ara-dalàna izany raha hiala sasatra no hialana eto Madagasikara nefa hijanona hiasa any amin'ny firenena iray hafa avy eo.
Tsara ny manamarika fa zon'ny olona hiasa any ivelany ny mangataka ny andinindininy rehetra mikasika ilay asa ho atao any ivelany. Azo antoka kokoa ilay asa raha fantatra mialoha ny Orinasa hiasana, ny ora fiasana, ny trano hipetrahana, ny fiantohana ara-pahasalamana sy ireo fepetra isan-karazany manitikitika ny saina. Faritana mialoha ny fotoam-piasana (durée du contrat) sy ireo fivezivezena azo heverina (fodiana an-tanindrazana isan-taona ohatra).