Fahasalamana : Nobeazina mikasika ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ny mpianatry ny EPP Nanisana
Nanamarika ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka, ary isan’izany ny Operation Smile, ny talata 24 martsa 2026. Fanentanana sy fanabeazana ireo mpianatra samihafa teny amin’ny EPP Nanisana, no nanatanterahana izany.
Hetsika mivantana ho an’ny mpianatra
Tanjon’ny hetsika tamin’izany ny hanamafy amin’ireo ankizy ny fomba ny fanadiovana ny nify sy ny fisorohana ny aretin’ny nify. Nandritra izany dia mpianatra manodidina ny 900 no nahazo borosy nify sy feta fiborosiana nify (dentifrice), niaraka taminy, avy amin’ny Operation Smile. Nisy ihany koa ny fizahana ny nify sy ny ativava natolotra ireo ankizy manomboka amin’ny kilasy « préscolaire » ka hatramin’ny kilasy fahadimy (T5).
Ireo hetsika ireo dia natao hampianarana ny ankizy, manomboka amin’ny fahazazany ny fomba fikarakarana ny nify sy ny vava. Hahafahana mamantatra mialoha, ihany koa, ireo olana mety hitranga. Zava-dehibe izany, eto Madagasikara, satria mbola voafetra ny fisitrahan’ny Malagasy maro ny fitsaboana nify, raha ny fanazavana.
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika tanterahin’ny Operation Smile eto Madagasikara rahateo ny fitsaboana nify sy ny ativava, ankoatra ny fandidiana izay efa fanaony. Izany dia ao anatin’ny « Comprehensive care » an’izy ireo.
Olana ara-pahasalamana mbola lehibe
Mbola olana lehibe eto Madagasikara ny fahasalamana sy ny fikarakarana mikasika ny nify sy ny ativava. Tombanana ho manodidina ny 90%-n’ny ankizy no manana nify simba misy « carie » hatramin’ny telo eo ho eo, raha ny antontan’isa farany. Antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny tolotra ara-pahasalamana mora sy manara-penitra, ary koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana momba ny fahadiovan’ny nify. Manoloana izany dia mitohy ny ezaka ataon’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanentanana sy ny fisorohana, indrindra eny anivon’ny sekoly.
Isan’ny nokendren’ny Operation Smile tamin’ny hetsika, toy izao, ny hanova tsikelikely ny fahazarana ara-pahasalamana. Eo ihany koa ny fametrahana ny fisorohana ho laharam-pahamehana amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny nify sy ny ativava ho an’ny ankizy malagasy.




