• Cours de change
  • 5176.68 AR
  • |
  • $4453.54 AR
Copyright Image : © Bfmtv
Image
Vaovao

Papa Léon XIV - Mandà ny Fanambadian'ny mitovy fananahana ny Eglizy Katolika

19/09/2025 10:40 © Moov

Anisan'ny mampiavaka ny Papa Léon XIV ny fisokafany amin'ny rehetra. Tsy iadian-kevitra kosa nefa ny resaka "homosexualité" satria dia laviny marindrano izany.

Teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, tao Vatican, no nanambaran'ny Papa Léon XIV tamin'ny fomba ofisialy fa tsy manaiky ny fiarahana sy fanambadian'ny mitovy fananahana ny Eglizy Katolika. "Tsy miova ny fammpianaran'ny Fiangonana" ny amin'ny maha-lahy sy maha-vavy, hoy ny tenany. Nambarany tamin'izany fa ny atao hoe fianakaviana dia fitambaran'ny ray (lehilahy), ny reny (vehivavy) sy ny zanaka.

Fanambadian'ny lahy sy vavy

Tsy azo heverina mihitsy ny fanambadian'ny mitovy fananahana satria sady tsy manaraka ny lamina voajanahary izany no manapaka taranaka ihany koa. Araka ny hevitra hijoroan'ny Fiangonana Katolika mantsy, ny fianakaviana dia avy amin'ny fiarahana matotra eo amin'ny lahy sy ny vavy ihany. Notsiphinan'ny Papa Léon XIV mazava tsara izany tamin'ny volana May, ka tamin'izany fotoana izany dia efa fantatry ny maro fa tsy anisan'ireo handefitra manoloana ny "homosexualité" mihitsy ny tenany. I Josefa, i Maria ary i Jesoa no ohatra velona mikasika ny fianakaviana.
Tsara nefa ny manamarika fa tsy manilika ny olona manana fironana "homosexuel" ny Eglizy Katolika. Tsy voarara ny fanatrehan'izy ireo fotoam-pivavahana na fandaharam-potoana samihafa eo anivon'ny fiangonana, saingy tsy azo heverina ny fanamasinana fanambadiana.

Fitazomana ny hevi-dehibe mikasika ny vehivavy

Mbola voarara ny asa diakra ho an'ireo vehivavy, na dia amporisihana handray anjara amin'ny asam-piangonana aza izy ireo. Heverina fa tsy hisy fanavaozana izany foto-kevitra izany.
Tamin'ny volana aogositra teo, nanentana ireo relijiozy vehivavy ny Papa Léon XIV mba hanohana ireo fianakaviana. Hamafisina araka izany ny asa soa, mba hijanona hiombona sy hifankatia ny fianakaviana rehetra, na dia eo aza ny fahoriana isan-karazany.

Lire la suite

Articles Similaires