Foibe famantarana ny toetry ny andro : Tsy foronina ny orana fa ampiana tosika mba hilatsaka
Mampiady hevitra eny anivon'ny fiarahamonina eny ny hoe : orana artifisialy sa tsia no nirotsaka tato ho ato. Misy ireo milaza fa tsy misy izany orana artifisialy izany, ao aza ireo nitoroka mihitsy fa fomba entin'ny Fanjakana manodinkodim-bola fotsiny ny filazana fa misy ny asa fandatsahana orana atao. Mitondra fanazavana momba izany ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara.
Famahana ny olan’ny tsy fahampian-drano
Ny 7 sy 8 novambra 2025 lasa teo no nokasaina hotanterahina ny hetsika fandatsahana orana tany Andekaleka sy ny manodidina, mba hampiakarana ny haavon’ny rano, raha ny fampahafantarana nataon'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Ralitera Ny Ando Jurice, ny 7 novambra lasa teo. Ny 8 sy 9 novambra no feno tanteraka ny fepetra ilaina, ka nahafahana nanatontosa izany, niarahan’ny ministera tamin’ny ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Araka ny fanazavan'ny minisitra, dia sidina miisa 4 no natao, 108 tapitrisa Ariary no lany tamin’ireo sidina ireo. Nitondra vokatra avy hatrany kosa ny hetsika, satria niverina niasa ireo milina 3 ao Andekaleka, izay nahavokatra 85 MW. Araka ny tatitra avy amin'ny ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo hatrany dia nahafahana nitsitsy hatramin'ny 2,12 miliara Ariary ny famerenana ireo milina ireo hiasa indray.
Araka izany, vahaolana ara-tsiansa, ho famahana ny olan’ny tsy fahampian-drano, ny fandatsahana orana, izay antsoina mahazatra amin’ny hoe : « orana artifisialy ». Io fomba filaza io indrindra no miteraka adihevitra, ka nitondra fanazavana momba izany ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.
Tsy orana artifisialy fa orana nalatsaka
Hetsika fandatsahana orana, na « opération de pluie provoquée » no natao, hoy ny mpamantatra ny toetry ny andro. Amin’ny vanim-potoana main-tany, manasara-taona (intersaison), mialoha ny fotoam-pahavaratra, no anatanterahana izany, izany hoe : eo anelanelan’ny volana oktobra hatramin’ny desambra. Rehefa manomboka tanteraka ny fotoam-pahavaratra dia tsy misy intsony ny fandatsahana orana. Fa isan’ny antony hanatanterahana azy ihany koa ny fampitomboana ny hamandoan’ny habaka, na ny atmosfera, mba hitohizan’ny fiavian’ny orana. Mandritra izany anefa dia tsy misy ny famoronana orana atao, fa misy kosa ireo fepetra voajanahary tokony ho feno, hahafahana manatanteraka ny fandatsahana orana. « Ny rano hita amin’ny alalan’ny rahona efa misy no ampiana tosika hilatsaka », hoy ny fanazavana. Tsy ny rahona rehetra anefa no mety ampiasaina amin’ny fandatsahana orana, fa misy karazany takiana, dia ny rahona « cumuliforme », izay misavovona toy ny vovon-dandihazo. Manampy izay ny fijeren’ireo manam-pahaizana ny toetry ny habaka na ny atmosfera. Tafiditra ao anatin’izany ny hamandoana sy ny rivotra, izay arahi-maso isan’ora.
Miankina amin’ny vinavinan’ny mety ho toetry ny andro
Sira namainina anaty lafaoro, totoina, ary tahirizina mba hafana, no aparitaka amin’ny rahona mba hampitambatra ny rano madinika ao aminy, ka hamadika izany ho lasa rotsak’orana. 40 minitra hatramin’ny adin’ny iray no hanatanterahana ny hetsika, ka 20 kg hatramin’ny 30kg ny lanjan’ny sira ampiasaina, hoy ny fanazavana. Araka izany, orana natoraly no omena tosika mba hilatsaka ary azo ampiasaina tsara amin’ny filàna rehetra ny ranon’orana azo amin’izany, hoy ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro. Raha fintinina : tsy misy ny famoronan’ny olombelona ny orana, tsy misy ny orana artifisialy, fa rano efa misy amin’ny alalan’ny rahona no ampiana tosika hilatsaka. Miankina betsaka amin’ny vinavinan’ny mety ho toetry ny andro, araka izany, ny fanatanterahana ny hetsika fandatsahana orana.



