Fetin’ny faran’ny taona : Eto Madagasikara no hitsenan’ny tarika Rossy ny taona 2026
Nisafidy hijanona eto Madagasikara ny tarika Rossy, amin’ny fety famaranana ny taona 2025 sy fitsenana ny taona 2026. Hifamotoana ao amin’ny Dana Club Talatamaty ny tarika sy ny mpankafy, hiaraka handray izany taona vaovao izany. Efa nokarakaraina nandritra ny volana maro, niaraka tamin’ny Lax pro, mpikarakara, ity Grand Réveillon ity, ka efa vonona avokoa ny lafiny rehetra.
Alina iray feno gadona, dihy ary hafaliana
Raha tany ivelany hatrany no nanatanterahan’ny tarika ny Grand Réveillon, tao anatin’ny 30 taona izay, dia ny Malagasy, eto an-toerana indray no hahazo tombony amin’ity. Efa vonona avokoa ny lafiny rehetra : manomboka amin’ny fanamafisam-peo avo lenta, ny jiro mamirapiratra, hatramin’ny fandaminana manokana hiantohana ny alina iray tsy hay hadinoina, miaraka amin’ity andrarezina ity. Hampiavaka ny seho ny hira maro mampandihy, izay an’ny tarika, ary ho hita ao avokoa ny mpikambana (au grand complet) raha ny fanazavana. Etsy ankilany dia hisy mpanakanto nasaina maro hiara-hampilendalenda ny sehatra ihany koa, ary tsy ho diso anjara koa ireo zavatra maro samihafa nomanina mba ho tsy ampoizin’ny mpankafy. Ny fisian’i Rossy amin’ity fotoana ity dia heverina ho fiverenana manan-tantara, satria tao anatin’izay 30 taona izay, raha tany ivelany hatrany izy, dia hiavaka ity « réveillon » 2026 ity.
Mozika voafantina, hafaliana iombonana
Raha ny fanazavana dia ireo hira tena tiana sy ankafizin’ny mpankafy no ho hiraina ao an-toerana amin’io andro io. Nisy fanadihadiana natao tamin’ny tambajotra sosialy, indrindra tao amin’ny Facebook, nifantenana ireo hira tian’ny maro. Hifangaro amin’izany ny hira samihafa efa iraisampirenena, havoakan’i Rossy amin’ny fomba mampiavaka azy. Hanampy amin’ny fampiakarana ny hafanana mandritra ny alina ihany koa ny DJ matihanina iray.
Hanomboka amin’ny 9 ora alina ny seho ary hisy ny sakafo ao an-toerana. Afaka jifaina amin’ny vidiny 200 000 ariary kosa ny tapakila alohan’ny 29 desambra ; efa miakatra kosa izany vidiny izany aorian’io andro io. Natao ho an’ny rehetra ny mozik’ny tarika Rossy.


