Ady amin’ny Mpox : Laharam-pahamehana i Mahajanga amin’ireo fitaovana natolotry ny Mercy Ships
Manoloana ny fihanaky ny aretina Mpox eto Madagasikara dia nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ny Mercy Ships. Tao Ivandry, omaly, no nanolorany izany, ho an’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Ny faritanin’i Mahajanga no laharam-pahamehana amin’izany.
Fanamafisana ny ady amin’ny Mpox
Amin’izao fotoana mampanahy ny toe-draharaha ara-pahasalamana izao dia manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Mercy Ships amin’ny ady amin’ny valanaretina Mpox. Nanamafy i Nicholas Ahadjie, talen’ny Mercy Ships eto Madagasikara, fa mijanona ho tanjona lehibe ho an’ny fikambanana ny “mitondra fanantenana sy fahasalamana ho an’ny rehetra”. Izany dia efa hevitra nitondrana ny asa nataony hatrizay, teto Madagasikara.
Araka ny fanazavany, manana fitaovana mivaingana afaka hanehoany ny fandraisana andraikitra, amin’ny toe-javatra toy izao, ny Mercy Ships. Isan’ny natolotra tamin’izany ny sarontava (masque), ny fitaovana famonoana otrikaretina toy ny « désinfectants », ny EPI (équipements de protection individuelle) ary ireo kojakoja ilaina hiarovana ny vahoaka sy ny mpiasan’ny fahasalamana. Ireo fanomezana ireo dia natao hanamafisana ny fisorohana sy ny fifehezana ny fiparitahan’ny Mpox, indrindra any amin’ireo faritra tena marefo.
Mahajanga sy Antananarivo no laharam-pahamehana
Araka ny nambaran’i Jean Marc Tombofeno, Tale jeneralin’ny Fitantanana ny kojakoja ara-pitsaboana (DGSF) eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia hatao araka ny laharam-pahamehana ny fizarana ireo fitaovana. Mahajanga sy Antananarivo no isan’ireo faritra voalohany hahazo izany, noho izy ireo isan’ny tena voakasiky ny aretina. Raha ny tatitra farany izao dia miisa 167 ireo tranga voamarina tao amin’ny faritra Boeny, ary 30 teto Analamanga.
Hisy ihany koa ny fanaraha-maso ireny fitaovana ireny, mba hamaliana ny filàna manokana eny anivon’ny toeram-pitsaboana sy ny toerana ahitana ny valanaretina. Raha ny EPI manokana, dia ampiasaina indray mandeha monja ary ariana aorian’ny fampiasana, ka tsy maintsy arahi-maso hatrany ny fampiasana sy ny famenoana ny banga.
Amin’ny ankapobeny, manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ity hetsika ity, amin’ny tanjona iraisana dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana manoloana ny Mpox.




