• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Ankadimbahoaka : Noraisim-potsiny ilay mpanendaka

16/01/2023 09:58 © Midi Madagasikara

Manoloana ny fisian’ny mpanao sinto-mahery mateti-pitranga eny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny dia nanao hetsika manokana teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-5 etsy Mahamasina. Isan’izany ny fametrahana polisy manao fanamiana sivily manara-maso manodidina ireo toerana maro mpivezivezy.

Nahitam-bokatra izany ny sabotsy hariva teo. Lehilahy iray no tratra am-bodiomby teo am-panendahana olona nandeha an-tongotra hamonjy fodiana tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva. Tsy nampoizin’ity jiolahy ity mihitsy ny fisian’ireo polisy nanao fanamiana sivily ireo izay efa niandry fotsiny izay hataony rehefa nahatsikaritra fihetsika hafahafa taminy.

Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria ity lehilahy ity mba hanaovana fanadihadiana ka tsy maintsy hatolotra ny fitsarana raha vao vita izany.

T.M.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo