• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Ministère_Du_Tourisme - Madagascar
Image
Vaovao

Fizahantany : Mpizahatany 1608 no nandalo tao Toamasina omaly

14/02/2023 16:35 © Moov.Mg

Tonga tao Toamasina omaly vao mangiran-dratsy ny sambo mpitondra mpizahatany italiana « Costa Deliziosa ». Nitondra mpizahatany miisa 1608 ity farany, izay teratany vahiny avy amin’ny firenenana samihafa. Tao ireo mpizahatany italiana, frantsay, alemana, espaniola, anglisy sy ny maro hafa ihany koa. Raha ny mpandraharaha sy mpiasa eo anivon’ny sambo kosa dia niisa 878 izy ireo.

Tolotra fitsidihina

Mba hanomezana fahafaham-po an’ireto mpizahatany ireto dia toerana sy fanentanana efatra samihafa no natolotra azy ireo. Tafiditra tao anatin’izany ny fitsidihina an-tanety ny village Tapkala. Teo ihany koa ny fitsidihina an-tsambo ny lakan-dranon’ny pangalane, ny valan-javaboaharin’i Ivoloina, ary ny tanànan’ny Satrana garden. Maherin’ny 900 ny fitsangatsanganana voaomana sy malalaka izay lafo tamin’izany, raha ny nambaran’ny ministeran’ny Fizahantany.
Nandritra izany ihany koa dia nisy ny fifanakalozana sata teo amin’ny kapitenin’ity sambo Costa Deliziosa ity sy ireo manampahefana isan-karazany any an-toerana. Fomba izay efa fanao moa ny toa izao rehefa misy sambo mpizahatany tonga ao Toamasina. Tonga nandray sy niarahaba ity sambo ity tany an-toerana moa ny ministry ny Fizahantany, Diana Rasoanaivo. Nisaotra ireo mpikarakara sy ireo izay rehetra nandray anjara tamin’izany ihany koa ny tenany.
Mitondra vokatra tsara ho an’ny mponina sy ny tànana andalovany foana ny fahatongavan’ny sambo mpitondra mpizahatany toa izao. Tafiditra ao anatin’izany mahazo tombotsoa ihany koa ireo mpisehatra amin’ny fizahantany isan-karazany toa ireo mpitarika mpizahatany, ireo mpanao asa-tànana, ireo mpitondra tuk tuk, cyclo-pousse, taxi, ary ireo mpampanofa fiara.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo